20 Ary nisy vehivavy nijaly be, fa nandeha ra+ nandritra ny 12 taona. Nanatona an’i Jesosy avy tao aoriana izy, ka nikasika ny mikiramborambo amin’ny morontongotry ny akanjony ivelany.+ 21 Fa hoy izy anakampo: “Raha mikasika ny akanjony ivelany fotsiny aho, dia ho sitrana.”