-
Eksodosy 2:11-15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Rehefa lasa olon-dehibe* i Mosesy, dia nivoaka ho any amin’ireo rahalahiny mba hijery ny asa mafy nasaina nataon’izy ireo.+ Dia nahita Ejipsianina nikapoka Hebreo anankiray anisan’ny rahalahiny izy. 12 Koa nitoditodika izy, ka rehefa hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ho faty ilay Ejipsianina ary nasitriny tao anaty fasika.+
13 Nivoaka indray izy ny ampitso, ary nahita Hebreo roa lahy niady. Hoy àry izy tamin’ilay diso: “Fa maninona no asianao ny namanao?”+ 14 Dia namaly izy hoe: “Iza no nanendry an’ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay? Tadiavin’ialahy hovonoina hoatran’ilay Ejipsianina koa angaha aho?”+ Dia natahotra i Mosesy ka nanao anakampo hoe: “Tena nisy nahafantatra ilay izy!”
15 Tonga tany am-poto-tsofin’i Farao izany, ka nitady hamono an’i Mosesy izy. Nandositra azy anefa i Mosesy ka nandeha nipetraka tany Midianina.+ Rehefa tonga tany izy, dia nipetrapetraka teo akaikin’ny lavadrano iray.
-