FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Asan’ny Apostoly 8:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 I Saoly kosa nandravarava ny fiangonana. Nasesiny ny tranon’ireo mpino ka nidirany an-keriny, dia notaritaritiny hivoaka izy ireo na lahy na vavy, ary nataony am-ponja.+

  • Asan’ny Apostoly 22:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia nenjehiko izay anisan’izany Lalana* izany, ary maty mihitsy aza ny sasany tamin’izy ireny. Nofatorako sy natolotro mba hatao am-ponja izy ireny, na lahy na vavy.+

  • Asan’ny Apostoly 26:10, 11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia izany mihitsy no nataoko tany Jerosalema. Be dia be ny olona masina nogadraiko,+ satria nahazo fahefana avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona+ aho. Ary rehefa hovonoina ho faty izy ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky an’izany aho. 11 Nanasazy matetika azy ireny aho tany amin’ny synagoga rehetra, mba hanerena azy handa ny finoany. Romotra tamin’izy ireny aho, ka vitako hatramin’ny nanenjika azy tany amin’ny tanàna hafa mihitsy aza.

  • Galatianina 1:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Mazava ho azy fa efa henonareo ny nataoko tamin’izaho mbola nanaraka ny Fivavahan’ny Jiosy.*+ Fa tena nanenjika mafy* ny fiangonan’Andriamanitra aho sady nandravarava azy.+

  • 1 Timoty 1:12, 13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara