FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Asan’ny Apostoly 20:22, 23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ary efa an-dalana ho any Jerosalema aho izao, satria tsy maintsy manaraka ny fitarihan’ny* fanahy masina aho, na dia tsy fantatro aza izay hanjo ahy any, 23 afa-tsy izay ambaran’ny fanahy masina amiko foana isan-tanàna hoe gadra sy fahoriana no miandry ahy any.+

  • Asan’ny Apostoly 21:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Tonga teo aminay izy, dia nalainy ny fehikibon’i Paoly ka namatorany ny tongotra aman-tanany. Dia hoy izy: “Izao no lazain’ny fanahy masina: ‘Hoatr’izao no hamatoran’ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity,+ ary hatolotr’izy ireo eo an-tanan’ny olona hafa firenena izy.’”+

  • 2 Korintianina 11:23-28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Mpanompon’i Kristy ve izy ireo? Mamaly hoatran’ny adala aho. Mpanompon’i Kristy aho ary miavaka kokoa noho izy ireo aza: Betsaka kokoa ny asa nataoko,+ natao am-ponja matetika kokoa aho,+ tsy voaisa intsony ny kapoka nahazo ahy, ary efa saika maty imbetsaka aho.+ 24 Indimy aho no nokapohin’ny Jiosy in-40 latsaka iray avy,+ 25 intelo aho no nokapohina tamin’ny hazo,+ indray mandeha notoraham-bato,+ intelo vaky sambo,+ ary indray andro sy indray alina aho no tavela teny an-dranomasina. 26 Nandeha lavitra matetika aho, saika nahita loza tamin’ny renirano, saika nahita loza tamin’ny jiolahy, saika nahita loza tamin’ny mpiray firenena amiko,+ saika nahita loza tamin’ny hafa firenena,+ saika nahita loza tao an-tanàna,+ saika nahita loza tany an-tany efitra, saika nahita loza tany an-dranomasina, ary saika nahita loza teo anivon’ny rahalahy sandoka. 27 Niasa mafy sy nikely aina aho, tsy nahita tory matetika,+ noana sy nangetaheta,+ tsy nihinan-kanina matetika,+ nangatsiaka ary tsy nanana akanjo.*

      28 Ankoatra an’ireo zavatra ivelany ireo, dia misy manavesatra ahy koa isan’andro: Manahy momba ny fiangonana rehetra aho.+

  • Kolosianina 1:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Faly aho izao satria mijaly mba hahasoa anareo,+ ary miaritra ny fijalian’i Kristy aho, dia fijaliana mbola tsy niaretan’ny vatako, mba hahasoa an’ilay vatany,+ izany hoe ny fiangonana.+

  • 2 Timoty 1:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Izany koa no antony iaretako an’ireny zavatra ireny.+ Tsy menatra anefa aho.+ Fantatro mantsy Ilay inoako, ary matoky aho fa vitany ny miaro an’izay nankiniko taminy mandra-pahatongan’izany andro izany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara