-
Asan’ny Apostoly 20:34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Fa fantatrareo tsara fa ireto tanako ireto no nahazoako an’izay nilaiko+ sy nilain’ireo niaraka tamiko.
-
-
1 Tesalonianina 2:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Tadidinareo tsara, ry rahalahy, hoe niasa mafy sy nikely aina aho. Niasa andro aman’alina mantsy izahay rehefa nitory ny vaovao tsaran’Andriamanitra taminareo, mba tsy hampitondra enta-mavesatra an’iza na iza teo amin’ny lafiny ara-bola.+
-
-
2 Tesalonianina 3:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Tamin’izahay teo aminareo aza, dia matetika izahay no nandidy anareo hoe: “Izay tsy mety miasa dia tsy tokony hihinana.”+
-