-
Asan’ny Apostoly 16:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Dia nentin’izy ireo tany amin’ny tompon’andraiki-panjakana izy roa lahy, ary hoy izy ireo: “Tena manakorontana ny tanànantsika mihitsy+ ireto lehilahy ireto. Jiosy ry zareo, 21 dia mampianatra fanao tsy azontsika raisina na arahina, satria isika Romanina.”
-
-
Asan’ny Apostoly 17:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Rehefa tsy nahita azy roa lahy tao izy ireo, dia nitaritarika an’i Jasona sy ny rahalahy sasany ho any amin’ny lehiben’ny tanàna. Dia niantsoantso izy ireo hoe: “Tonga eto koa izao ireny lehilahy manakorontana ny tany* ireny,+ 7 ary nampiantrano azy i Jasona. Manohitra ny didin’i Kaisara izy rehetra ireo, ka milaza fa misy an’izany mpanjaka hafa atao hoe Jesosy+ izany, hono.”
-