-
Galatianina 1:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Fa tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa tsy avy tamin’olombelona ilay vaovao tsara notoriko taminareo.+ 12 Tsy azoko tamin’olona mantsy ilay izy sady tsy nampianarina ahy, fa nampahafantarin’i Jesosy Kristy ahy.
-
-
Galatianina 2:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Niakatra tany aho satria nisy zavatra naharihary tamiko. Dia novelabelariko tamin’izy ireo ny vaovao tsara toriko amin’ny hafa firenena. Teo anatrehan’ireo rahalahy nohajaina be ihany anefa no nanaovako an’izany, mba ho azo antoka hoe tsy very maina ilay hazakazaka nataoko tamin’izany, na ilay efa nataoko taloha.
-