-
Eksodosy 34:29, 30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Dia nidina avy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy, ary teny an-tanany ny takela-bato roa misy ny Tenin’ny Vavolombelona.+ Ary tsy fantatr’i Mosesy hoe nanjelanjelatra ny tarehiny noho izy niresaka tamin’Andriamanitra. 30 Rehefa nahita an’i Mosesy i Arona sy ny Israelita rehetra, dia voamarik’izy ireo fa nanjelanjelatra ny tarehiny. Koa natahotra ny hanatona azy izy ireo.+
-