-
2 Korintianina 11:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Matahotra anefa aho sao ianareo ho voafitaka toa an’i Eva izay nofitahin’ny menarana tamin-kafetsena,+ ka ho simba ny sainareo, dia tsy ho ao aminareo intsony ilay fahatsorana sy fahadiovana mendrika an’i Kristy.+ 4 Raha misy mantsy olona tonga mitory Jesosy hafa noho ilay efa notorinay, na misy mampirisika anareo hanana toe-tsaina hafa noho izay efa nanananareo, na misy mitory vaovao tsara hafa noho izay efa nekenareo,+ dia tsy mampaninona anareo ny mandefitra amin’izany olona izany.
-
-
Galatianina 5:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Efa nihazakazaka tsara ange ianareo e!+ Dia iza no nisakana anareo tsy hankatò ny fahamarinana intsony?
-