10 Mampirisika anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanara-kevitra ianareo amin’izay lazainareo. Aza avela hisy fisaratsarahana eo aminareo,+ fa miezaha kosa hiray hina tsara ka hiray saina sy hiray hevitra.+
15 Avelao hanjaka ao am-ponareo* ny fiadanan’i Kristy,+ satria nantsoin’Andriamanitra ianareo mba hahazo an’izany fiadanana izany ka ho lasa vatana iray. Asehoy koa fa mahay mankasitraka ianareo.