29 Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo,+ ary tsy hiantra ny ondry ireny. 30 Ary avy ao aminareo ihany no hivoahan’ny olona mampianatra zavatra diso mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.+
18 Voalohany aloha, dia henoko fa misy fisaratsarahana eo aminareo rehefa mivory ny fiangonanareo, ary mino aho hoe marina ihany izany. 19 Fa tsy maintsy hisy hanangana antokom-pinoana* eo aminareo,+ mba hiharihary hoe iza aminareo no ankasitrahana.