-
Eksodosy 24:6-8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ra ka nataony tao anaty vilia baolina, ary ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara. 7 Ary noraisiny ny bokin’ny fifanekena ka novakiny mafy tamin’ny vahoaka.+ Dia hoy izy ireo: “Vonona hanao an’izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay, ary hankatò azy.”+ 8 Koa noraisin’i Mosesy ny ra ary nafafiny teny amin’ny vahoaka+ sady hoy izy: “Ity no ran’ny fifanekena nataon’i Jehovah taminareo, mifanaraka amin’izany teny rehetra izany.”+
-