-
1 Korintianina 9:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Tsy fantatrareo ve fa mihazakazaka daholo ny mpihazakazaka rehetra manao fifaninanana, nefa iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha koa mba hahazoanareo loka.+
-
-
Filipianina 3:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Ry rahalahy, tsy mieritreritra aho akory hoe efa nahazo an’ilay loka. Izao zavatra iray izao anefa no azoko antoka: Manadino ny zavatra any aoriana aho+ ary mikely aina hanatratra ny eo aloha.+ 14 Fa miezaka manatratra an’ilay tanjona aho, izany hoe ilay loka+ homen’Andriamanitra an’izay antsoiny+ amin’ny alalan’i Kristy Jesosy. Fiainana any an-danitra izany loka izany.
-