-
Hebreo 2:2-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Fa raha azo itokisana ny teny nolazain’ny anjely,+ ary nosazina ara-drariny+ izay nandika lalàna sy tsy nankatò, 3 dia tsy ho voasazy ve isika raha tsy miraharaha an’izao famonjena lehibe izao?+ Ny Tompontsika+ mantsy no voalohany nilaza an’io famonjena io. Ary izay naheno azy io dia nanamafy tamintsika hoe marina izy io. 4 Efa nanome porofo momba azy io koa Andriamanitra ka nanao famantarana sy fahagagana* ary zavatra miavaka isan-karazany,+ sady nizara fanahy masina araka izay sitrapony.+
-