FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 18:2, 3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Dia nitraka izy ka nahita lehilahy telo nijoro terỳ lavidavitra terỳ.+ Rehefa nahita azy ireo izy, dia nihazakazaka avy teo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy mba hitsena azy, ka niankohoka tamin’ny tany. 3 Dia hoy izy: “Raha ankasitrahanao aho, Jehovah ô, dia aza andalovana fotsiny re ny mpanomponao e!

  • Genesisy 19:1-3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Tonga tao Sodoma ireo anjely roa rehefa harivariva. Nipetraka teo am-bavahadin’i Sodoma i Lota tamin’izay. Rehefa nahita azy roa lahy i Lota, dia nitsangana hitsena azy ka niankohoka tamin’ny tany.+ 2 Hoy izy: “Azafady, tompoko! Mba mivilia re any an-tranon’ny mpanomponareo e! Mijanòna any androany alina, dia hosasana koa ny tongotrareo. Afaka mifoha maraina ianareo rahampitso dia manohy ny dianareo.” Hoy anefa izy ireo: “Aoka izao fa hatory eo amin’ny tany malalaky ny tanàna izahay.” 3 Nisisika ihany anefa i Lota, ka niaraka taminy nankany an-tranony izy ireo. Ary nanao sakafo be ho azy ireo izy, sady nanao mofo tsy misy lalivay. Dia nihinana izy ireo.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara