-
Jeremia 15:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ary raha manontany anao izy ireo hoe: ‘Handeha ho aiza izahay?’, dia izao avaly azy: ‘Izao no lazain’i Jehovah:
“Ho tratran’ny loza mahafaty izay natao ho tratran’ny loza mahafaty!
Ho fatin’ny sabatra izay natao ho fatin’ny sabatra!+
Ho fatin’ny mosary izay natao ho fatin’ny mosary!
Ary ho lasa babo izay natao ho lasa babo!”’+
3 “‘Handefa loza efatra*+ aho hamelezana azy ireo’, hoy i Jehovah: ‘Sabatra hamono azy, alika hitaritarika azy, ary voro-manidina sy bibidia handrapaka sy hamotika azy.+
-