-
Salamo 22:28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Fa an’i Jehovah ny fanjakana;+
Izy no mitondra an’ireo firenena.
-
-
Daniela 4:34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 “Rehefa tapitra izany fotoana izany,+ dia nijery ny lanitra izaho Nebokadnezara, ary niverina indray ny saiko. Dia nidera an’ilay Avo Indrindra aho, sady nidera sy nanome voninahitra an’Ilay velona mandrakizay. Fitondrana mandrakizay mantsy ny fitondrany, ary haharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny fanjakany.+
-