-
1 Mpanjaka 8:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Tamin’izany fotoana izany, dia novorin’i+ Solomona ny anti-panahin’ny* Israely, sy ny lehibem-poko rehetra, ary ny mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ny Israely.+ Tonga tany amin’i Solomona Mpanjaka tany Jerosalema izy ireo, mba hampiakatra ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, avy tany amin’ny Tanànan’i Davida,+ izany hoe Ziona.+
-
-
Hebreo 8:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Izao no hevi-dehibe amin’izany zavatra resahinay izany: Mpisoronabe hoatr’izany no ananantsika,+ ary mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra Lehibe any an-danitra+ izy. 2 Mpanompo* ao amin’ny toerana masina+ sy ny tena tranolay koa izy, ary i Jehovah,* fa tsy olona, no nanorina an’io tranolay io.
-
-
Hebreo 9:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Efa lasa mpisoronabe anefa i Kristy, ary mandray fitahiana avy amin’izany isika. Rehefa lasa mpisoronabe izy, dia niditra tao amin’ny tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon’ny tanan’olona, izany hoe tsy anisan’ny zavatra eto an-tany.
-