-
Salamo 75:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
Tena hararany izany,
Ka hisotro an’ilay izy hatramin’ny faikany ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany.”+
-
-
Jeremia 25:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Fa izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamiko: “Raiso etỳ an-tanako ity kaopy misy ny divain’ny fahatezerako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra anirahako anao.
-
-
Apokalypsy 14:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Tonga ny anjely fahatelo avy eo, niantsoantso mafy hoe: “Raha misy mivavaka amin’ny bibidia+ sy ny sariny ka mandray marika eo amin’ny handriny na eo amin’ny tanany,+ 10 dia hisotro amin’ny divain’Andriamanitra koa izy, izany hoe ny fahatezeran’Andriamanitra.+ Araraka tsy mitampoka ao anatin’ny kaopin’ny fahatezeran’Andriamanitra izany divay izany. Dia hampijalina amin’ny afo sy solifara+ eo imason’ny anjely masina sy ny Zanak’ondry izy.
-