-
Asan’ny Apostoly 10:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Rehefa niditra i Petera, dia nitsena azy i Kornelio, ary niankohoka tamim-panajana teo an-tongony. 26 Fa natsangan’i Petera izy, ka noteneniny hoe: “Mitsangàna, fa izaho koa ange olombelona ihany e!”+
-
-
Apokalypsy 22:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Izaho Jaona no naheno sy nahita an’ireo zavatra ireo. Rehefa naheno sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo an-tongotr’ilay anjely nampiseho an’ireo tamiko. 9 Hoy anefa izy tamiko: “Tandremo! Aza manao an’izao! Fa mpanompo ihany aho, hoatr’anao sy ny mpaminany rahalahinao, ary hoatran’ireo manaraka ny teny ato amin’ity horonam-boky ity. Andriamanitra no ivavaho.”+
-