HIRA 45
Izay Saintsainiko ato Am-poko
Endrika Sary
	- 1. Izay saintsainiko ato am-poko - Mandritra ny andro tsirairay, - Dia tiako hampifaly anao, - Hankasitrahanao, ry Ray. - Ny alina aho raha miady saina - Ka lasa tsy mahita tory, - Dia hisaintsaina momba anao, - Tsy hanadino anao akory. 
- 2. Izay madio sy tsara laza - No tiako hifantohan’ny saiko, - Satria mba tiako ho sitrakao - Izay ataoko sy lazaiko. - Ny hevitrao, Jehovah ô, - Dia maro, sarobidy koa; - Ka enga anie ny Teninao - Mba hosaintsainiko ao am-po. 
(Jereo koa ny Sal. 49:3; 63:6; 139:17, 23; Fil. 4:7, 8; 1 Tim. 4:15.)