HIRA 47
Mivavaha Isan’andro
Endrika Sary
	- 1. Tsy andrin’i Jehovah ny hihaino anao, - Ka ny ao am-ponao, resaho, tantarao! - Izy anie ka Namana azo itokiana, - Tsy manary anao ’lay Ray be fiahiana. - Mivavaha àry isan’andro! 
- 2. Mivavaha raha mbola eo ny maraina, - Dia misaora an’ilay Mpanome aina. - Fantany ianao hoe mba vovoka ihany, - Ka iangavio foana ny famelany. - Mivavaha àry isan’andro! 
- 3. Dia raha toa vesaran’ny fanahiana, - Satriny anie hanome fanampiana. - Mba antsoy Jehovah raha sendra kivy, - F’izy no Raintsika mandrakariva. - Mivavaha àry isan’andro! 
(Jereo koa ny Sal. 65:5; Mat. 6:9-13; 26:41; Lioka 18:1.)