HIRA 56
Raiso Am-po ny Fahamarinana
- 1. Mba fantatrao ve ny mahasambatra eto an-tany? - Ny fahamarinana ihany! - Raha tianao Jehovah, dia ho tianao ny lalàny; - Ekeo fa mahasoa anao ’zany. - (FIVERENANA) - Lova sarobidy, - Io no marina, aza amidy! - Raiso am-po - fa tsy hanenenanao io, - Ka ny marina fidio. 
- 2. Ny fanompoanao, na tsy mora aza indraindray, - Tsy hadino, tsy very maina. - Fa ny miandry anao, valisoa mandrakizay; - Fifaliana tsy hay lazaina! - (FIVERENANA) - Lova sarobidy, - Io no marina, aza amidy! - Raiso am-po - fa tsy hanenenanao io, - Ka ny marina fidio. 
- 3. Jehovah anie Ray, te hitantana sy hiaro, - Ka ny tananao atolory. - Tianao ve ny hampiany, dia handray zava-tsoa maro? - ’Zay lalana atorony izory! - (FIVERENANA) - Lova sarobidy, - Io no marina, aza amidy! - Raiso am-po - fa tsy hanenenanao io, - Ka ny marina fidio. 
(Jereo koa ny Sal. 26:3; Ohab. 8:35; 15:31; Jaona 8:31, 32.)