HIRA 129
Miareta fa Aza Kivy
- 1. Ny finoako ve - Mba mety hahatanty fahoriana? - Toa an’i Kristy, - Nahavita niaritra, nangina; - Nantenainy, nandrandrainy - ’Lay tena fifaliana. - (FIVERENANA) - Miareta na dia maro - Ny olana mianjady. - Jehovah mahatsiaro, - Miareta hatramy faran’ilay ady. 
- 2. Taona nifandimby - No nahitanay ny mangidy; - Nitomany ihany, - Nefa tsy niova ny safidy. - “Paradisa, kely sisa!” - ’Zay foana no tadidy. - (FIVERENANA) - Miareta na dia maro - Ny olana mianjady. - Jehovah mahatsiaro, - Miareta hatramy faran’ilay ady. 
- 3. Atrakao ny loha - Mba tsy ho resin’ny ankaso. - Ny andron’i Jehovah - Tena efa akaiky, taza-maso. - Fitahiana ny ao aoriana, - Tsy ho ela io fa andraso! - (FIVERENANA) - Miareta na dia maro - Ny olana mianjady. - Jehovah mahatsiaro, - Miareta hatramy faran’ilay ady. 
(Jereo koa ny Asa. 20:19, 20; Jak. 1:12; 1 Pet. 4:12-14.)