HIRA 132
Iray Isika Izao
Endrika Sary
	- 1. Ela ny ela, io ’lay niriko. - Tsy irery intsony aho, tojo ilay tiako. - Nomen’i Jehovah ahy ianao. - Iray isika izao: - Dia nofo iray sy fo iray, - Manomboka eto ho mandrakizay; - Ka lasa fianakaviana - Fa efa tia sy tiana. - ’Zaho sy ianao dia tsy mba hifandao. - Ny fitiavantsika, - Tsy ho lefy na hangatsiaka. - Isika izao efa mpivady, - ’Ndao hiara-dia hanefa ilay voady: - Hiara-hanompo an’i Jehovah - Sy mba hifankatia doria. 
(Jereo koa ny Gen. 29:18; Mpito. 4:9, 10; 1 Kor. 13:8.)