14. Afaka ny ho Sambatra ny Fianakavianao
1 I JEHOVAH NO NAMORONA NY FIANAKAVIANA
‘Ny Ray no ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany anarana.’—Efesianina 3:14, 15
Afaka ny ho sambatra ve ny fianakavianao?
-
I Jehovah no namorona ny fianakaviana.
-
Tahafo i Jehovah sy Jesosy, dia ho sambatra ny fianakavianao.
2 INONA NO TOKONY HATAON’NY MPIVADY?
“Aoka ... ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny ..., ary aoka kosa ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.”—Efesianina 5:33
Inona no tokony hataon’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady?
-
Ny lehilahy no loham-pianakaviana. Tokony ho tia ny vadiny izy, ary tokony hanaiky ny fanapahan-keviny ilay vehivavy.
Kolosianina 3:19; 1 Petera 3:4
Tokony ho samy tsara fanahy sy hitady izay hahasoa ny vadiny izy ireo.
-
Tokony hifanaja ny mpivady.
-
Tokony hamelona ny vady aman-janany ny lehilahy. Tokony hikarakara tokantrano ny vehivavy.
3 INONA NO TOKONY HATAON’NY RAY AMAN-DRENY?
“Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.”—Efesianina 6:4
Inona no andraikitry ny ray aman-dreny?
Deoteronomia 6:4-9; Ohabolana 22:6
Dieny mbola kely ny zanakareo dia ampianaro tsikelikely mba hahalala an’i Jehovah sy ho lasa namany.
-
Ampianaro izy ireo mba ho voaro amin’ny olon-dratsy sy ny mpametaveta.
-
Aza masiaka na tezitra loatra rehefa mananatra na manasazy ny zanakao.
4 INONA NO ASAIN’I JEHOVAH ATAON’NY ANKIZY?
“Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo.”—Efesianina 6:1
Nahoana no tokony hankatò ray aman-dreny ny ankizy?
Ohabolana 23:22-25; Kolosianina 3:20
Ho faly i Jehovah sy ny ray aman-dreninao raha mankatò ianao.
-
Izay olona tia an’i Jehovah no ataovy namana, dia ho vitanao ny hanao ny tsara.