13-19 Mey
2 KORINTIANINA 7-10
Hira 109 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Anisan’ny Fanompoana ny Fanampiana Tra-boina”: (10 min.)
2Ko 8:1-3: Nanome “mihoatra noho izay zakany” ireo Kristianina tany Makedonia, mba hanampiana an’ireo rahalahy tany Jodia (w98 1/11 25 § 1; kr 209 § 1)
2Ko 8:4: Anisan’ny “fanompoana” ny manampy an’ireo mpiara-manompo tra-boina (kr 209-210 § 4,6)
2Ko 9:7: “Ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra” (kr 196 § 10)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
2Ko 9:15: Inona ilay ‘fanomezana maimaim-poana tsy hay lazaina’ avy amin’Andriamanitra? (w16.01 12 § 2)
2Ko 10:17: Inona no dikan’ilay hoe ‘i Jehovah no reharehantsika’? (g99 8/7 18 § 5)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) 2Ko 7:1-7 (th lesona 12)
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Video Mitory: (4 min.) Alefaso ilay video ary iaraho midinika.
Mitory: (2 min. na latsaka) Ampiasao ilay hevitra azo resahina. (th lesona 1)
Mitory: (3 min. na latsaka) Vao manomboka miresaka an’ilay hevitra azo resahina ianao dia manohitra ilay olona. Fanoherana fahita eny amin’ny faritaninareo ilay izy, ary miezaka mamaly azy ianao. (th lesona 2)
Mitory: (3 min. na latsaka) Vao manomboka miresaka an’ilay hevitra azo resahina ianao dia manohitra ilay olona. Fanoherana fahita eny amin’ny faritaninareo ilay izy, ary miezaka mamaly azy ianao. (th lesona 4)
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Nahazo Fanampiana Ireo Mpiara-manompo Tra-boina Tany Karaiba”: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video hoe Fanehoana Fitiavana: Fanampiana Tra-boina Tany Amin’ireo Nosy.
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 66
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 94 sy Vavaka