FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb22.03 14
  • Iza no Namanao ao Amin’ny Internet?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Namanao ao Amin’ny Internet?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Mitovitovy Aminy
  • Fidio Tsara ny Namanao
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
mwb22.03 14

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Iza no Namanao ao Amin’ny Internet?

Olona mifandray am-po sady mifanaja no atao hoe mpinamana. Lasa mpinamana tsy nifankafoy, ohatra, i Jonatana sy Davida rehefa avy namono an’i Goliata i Davida. (1Sa 18:1) Samy nanana toetra nahatonga ny andaniny ho tia ny ankilany izy ireo. Mifankahafantatra tsara àry ny tena mpinamana. Matetika no mitaky fotoana sy ezaka izany. Manindry bokotra indray mandeha fotsiny anefa ny olona mampiasa tambazotran-tserasera dia efa mahazo “namana.” Mora amin’ny olona ny manafina ny tena maha izy azy ao amin’ny Internet, satria azony omanina mialoha izay holazainy sady azony amboamboarina ny mety ho fahitan’ny olona azy. Aleo àry mitandrina tsara rehefa mifidy namana ao amin’ny Internet. Aza misalasala mihitsy mandà na tsy mamaly rehefa misy olona tsy fantatrao tsara mangataka ny ho namanao. Aza manaiky satria fotsiny hoe sao dia malahelo izy. Tsy mampiasa tambazotran-tserasera mihitsy ny olona sasany rehefa mieritreritra ny loza mety haterak’izany. Raha mifidy ny hampiasa anefa ianao, inona no tokony hotadidinao?

JEREO ILAY VIDEO HOE MBÀ FETSIFETSY AMIN’NY INTERNET! VALIO IRETO AVY EO:

  • A scene from the video “Be Social-Network Smart.” A girl looks with shock at photos of herself displayed on TV screens.

    Inona no tokony hoeritreretinao alohan’ny hilazana zavatra sy hametrahana sary ao amin’ny tambazotran-tserasera?

  • A scene from the video “Be Social-Network Smart.” Two rough-looking men show a boy a social media post as the boy covers his eyes.

    Nahoana ianao no tokony hitandrina tsara rehefa mifidy namana ao amin’ny Internet?

  • A scene from the video “Be Social-Network Smart.” A boy sleeps with his head on his laptop after staying up all night using it.

    Nahoana no tokony hoferanao ny fotoana hampiasanao tambazotran-tserasera?​—Ef 5:15, 16

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara