FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb20.08 4
  • Aza Mivadika fa Efa Akaiky ny Farany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Mivadika fa Efa Akaiky ny Farany
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy Sarotra Loatra ny hoe Be Herim-po
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Omeo Herim-po Aho
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
mwb20.08 4

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Aza Mivadika fa Efa Akaiky ny Farany

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Tsy ho ela dia hisy zava-mitranga miavaka eto an-tany. Tokony ho be herim-po sy hitoky amin’i Jehovah mihoatra noho ny hatramin’izay isika amin’io fotoana io. Hanomboka ny fahoriana lehibe rehefa haringana ny fivavahan-diso. (Mt 24:21; Ap 17:16, 17) Hikorontana be ny fiainana amin’izany, nefa isika mbola mety hitory didim-pitsarana. (Ap 16:21) Hanafika antsika koa i Goga avy any Magoga. (Ezk 38:10-12, 14-16) Hanao zavatra anefa i Jehovah, ka hanomboka ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Ap 16:14, 16) Hanana herim-po hiatrehana an’ireo isika amin’ny hoavy, raha dieny izao dia efa tsy mivadika rehefa iharam-pitsapana.

INONA NO TOKONY HATAO?

  • Araho foana ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena, na dia tsy mora aza izany.—Is 5:20

  • Manompoa an’i Jehovah foana miaraka amin’ny mpanompony.—He 10:24, 25

  • Tonga dia araho izay toromarika omen’ny fandaminana.—He 13:17

  • Saintsaino hoe ahoana no namonjen’i Jehovah ny vahoakany tamin’ny lasa.—2Pe 2:9

  • Mivavaha amin’i Jehovah ary matokia azy.—Sl 112:7, 8

JEREO ILAY VIDEO HOE MILA MANANA HERIM-PO ISIKA—AMPAHANY. VALIO IRETO AVY EO:

  • A scene from the video ‘Future Events That Will Require Courage.’ At the Kingdom Hall, a concerned sister gazes ahead after reading congregation assignments for a pending merger.

    Nahoana no niharam-pitsapana ny mpitory tao amin’ny fiangonana iray, rehefa nakambana tamin’ny fiangonana hafa ny fiangonana nisy azy ireo?

  • A scene from the video ‘Future Events That Will Require Courage.’ The same sister discusses the new congregation assignments with two other sisters.

    Nahoana isika no lasa be herim-po rehefa zatra mankatò?

  • A scene from the video ‘Future Events That Will Require Courage.’ A young boy is worried after meditating on a depiction of Armageddon in the book ‘God’s Kingdom Rules!’

    Nahoana isika no mila herim-po rehefa tonga ny Hara-magedona?

  • A scene from the video ‘Future Events That Will Require Courage.’ Jehoshaphat and others from Judah arrive at a battlefield to find that not a single opposing soldier is alive.

    Dieny izao isika dia efa mila herim-po mba ho afaka hiatrika an’ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy

    Inona ny tantara ao amin’ny Baiboly manampy antsika hatoky fa mahavita mamonjy antsika i Jehovah?—2Ta 20:1-24

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara