Alahady 26 Oktobra
Manohitra ny olona manambony tena Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy miavaka amin’ny manetry tena kosa.—Jak. 4:6.
Miresaka vehivavy miavaka be dia be ny Baiboly. Tia an’i Jehovah ry zareo sady nanompo azy. ‘Nahay nandanjalanja tamin’izay zavatra fanaony’ ry zareo, ary ‘mendri-pitokisana tamin’ny zava-drehetra.’ (1 Tim. 3:11) Mahita vehivavy kristianina matotra azony tahafina koa ny anabavy, ao amin’ny fiangonany. Ry anabavy tanora, mahalala vehivavy kristianina matotra vitsivitsy azonareo tahafina ve ianareo? Mariho ny toetra tsarany, dia diniho hoe ahoana no azonareo anehoana an’izany. Tena ilain’ny Kristianina matotra ny manetry tena. Hifandray tsara amin’i Jehovah sy amin’ny hafa ny vehivavy manetry tena. Raha tia an’i Jehovah, ohatra, izy dia hanetry tena ka hanaiky an’ilay torolalana nomen’ny Rainy any an-danitra hoe “ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.” (1 Kor. 11:3) Azo ampiharina tsara eo anivon’ny fiangonana sy ny fianakaviana io torolalana io. w23.12 52:3-5
Alatsinainy 27 Oktobra
Tokony ho tia ny vadiny ny lehilahy, hoatran’ny itiavany ny tenany.—Efes. 5:28.
Manantena i Jehovah hoe ho tia ny vadiny ny lehilahy dia hamelona azy, sy ho namana tsara ho azy, ary hanampy azy hatanjaka ara-panahy foana. Hanampy anao ho vady tsara koa ny miezaka hahay hisaina sy hanaja vehivavy ary ho azo ianteherana. Mety ho lasa dada ianao rehefa manambady. Inona no azonao ianarana avy amin’i Jehovah, raha te hahay hitaiza ianao? (Efes. 6:4) I Jehovah, ohatra, tsy nisalasala nilaza tamin’i Jesosy Zanany hoe tiany izy ary nankasitrahany. (Mat. 3:17) Raha lasa dada àry ianao, dia omeo toky foana ny zanakao hoe tianao ry zareo. Derao foana koa ry zareo amin’izay zavatra tsara ataony. Manampy ny zanany ho lasa lehilahy sy vehivavy kristianina matotra ny raim-pianakaviana manahaka an’i Jehovah. Afaka miomana ho amin’izany andraikitra izany ianao dieny izao. Ahoana no atao? Miezaha ho be fitiavana rehefa mikarakara ny olona ao amin’ny fianakavianao sy ny fiangonana, dia mianara mampiseho fitiavana sy fankasitrahana an-dry zareo.—Jaona 15:9. w23.12 53:17-18
Talata 28 Oktobra
[I Jehovah] no mahatonga anao hilamina sy tsy hitebiteby.—Isaia 33:6.
Na dia manompo an’i Jehovah sy tsy mivadika aminy aza isika, dia mbola miatrika zava-tsarotra sy marary hoatran’ny rehetra ihany. Mety hanohitra na hanenjika antsika koa ny olona mankahala ny vahoakan’Andriamanitra. Marina hoe tsy miaro antsika amin’ireny i Jehovah, nefa mampanantena izy fa hanampy antsika. (Isaia 41:10) Hahavita ho faly foana sy handray fanapahan-kevitra tsara ary tsy hivadika aminy isika rehefa ampiany, na dia ao anatin’ny mangidy indrindra aza. Mampanantena i Jehovah fa hanome antsika an’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “ny fiadanan’Andriamanitra.” (Fil. 4:6, 7) Tony sy milamina ny fo sy ny sain’ny olona manana azy io, noho izy mifandray tsara amin’i Jehovah. “Mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona” io fiadanana io, izany hoe tsara lavitra noho izay eritreretintsika. Efa nisy fotoana ve ianao gaga be satria tony rehefa avy nivavaka mafy tamin’i Jehovah? Izay tsapanao izay ilay “fiadanan’Andriamanitra.” w24.01 3:2, 4