Talata 28 Oktobra
[I Jehovah] no mahatonga anao hilamina sy tsy hitebiteby.—Isaia 33:6.
Na dia manompo an’i Jehovah sy tsy mivadika aminy aza isika, dia mbola miatrika zava-tsarotra sy marary hoatran’ny rehetra ihany. Mety hanohitra na hanenjika antsika koa ny olona mankahala ny vahoakan’Andriamanitra. Marina hoe tsy miaro antsika amin’ireny i Jehovah, nefa mampanantena izy fa hanampy antsika. (Isaia 41:10) Hahavita ho faly foana sy handray fanapahan-kevitra tsara ary tsy hivadika aminy isika rehefa ampiany, na dia ao anatin’ny mangidy indrindra aza. Mampanantena i Jehovah fa hanome antsika an’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “ny fiadanan’Andriamanitra.” (Fil. 4:6, 7) Tony sy milamina ny fo sy ny sain’ny olona manana azy io, noho izy mifandray tsara amin’i Jehovah. “Mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona” io fiadanana io, izany hoe tsara lavitra noho izay eritreretintsika. Efa nisy fotoana ve ianao gaga be satria tony rehefa avy nivavaka mafy tamin’i Jehovah? Izay tsapanao izay ilay “fiadanan’Andriamanitra.” w24.01 3:2, 4
Alarobia 29 Oktobra
Hidera an’i Jehovah aho! Aoka hidera ny anarany masina ny tenako manontolo.—Sal. 103:1.
Tia an’Andriamanitra ny olona tsy mivadika, ka te hidera ny anarany amin’ny fo manontolo. Fantatr’i Davida Mpanjaka hoe midera an’i Jehovah ihany izy rehefa midera ny anarany. Tafiditra amin’ny anaran’ i Jehovah ny lazany, ka mampahatsiahy antsika an’ireo toetra tsarany rehetra sy ny zavatra mahatalanjona nataony. Te hanamasina ny anaran’ny Rainy i Davida, sady te hidera azy io. Te hanao an’izany tamin’ny ‘tenany manontolo’ izy, izany hoe tamin’ny fony manontolo. Nitarika ny fiderana an’i Jehovah koa ny Levita. Nanetry tena izy ireo dia niaiky hoe tsy misy teny tena mahalaza ny fiderana mendrika ny anarana masin’i Jehovah. (Neh. 9:5) Azo antoka hoe nahafaly ny fon’i Jehovah izany teny fiderana feno fanetren-tena sy vokatry ny fo izany. w24.02 6:6
Alakamisy 30 Oktobra
Efa misy fandrosoana vitantsika ..., ka andao isika hiezaka handroso hoatr’izany foana.—Fil. 3:16.
Aza manahy fa tsy hieritreritra i Jehovah hoe tsy mahomby ianao, raha tsy mahatratra tanjona sarotra loatra aminao. (2 Kor. 8:12.) Tadidio izay efa vitanao. Milaza ny Baiboly hoe ‘tsy mba manao ny tsy rariny Andriamanitra, ka hanadino an’izay nataonareo.’ (Heb. 6:10) Tsy tokony hanadino an’izany koa àry ianao. Saintsaino izay tsara efa vitanao, ohatra hoe ninamana kokoa tamin’i Jehovah, niresaka momba azy tamin’ny olona, na natao batisa. Efa nandroso sy nanatratra tanjona ara-panahy ianao taloha, dia mbola afaka mandroso sy miezaka manatratra an’ilay tanjonao amin’izao koa. Rehefa ampian’i Jehovah ianao, dia afaka ny hanatratra ny tanjonao. Rehefa miezaka manatratra an’ilay tanjonao ianao, dia ankafizo ny fanampiana sy ny fitahiana omen’i Jehovah anao eny an-dalana eny. (2 Kor. 4:7) Raha tsy kivy ianao fa miezaka foana, dia vao mainka hotahiny.—Gal. 6:9. w23.05 24:16-18