Talata 11 Novambra
Nampahafantatra ny tsiambaratelony tamin’ny mpaminany mpanompony [i Jehovah].—Amosa 3:7.
Tsy haintsika hoe ahoana no hahatanterahan’ny faminaniana sasany ao amin’ny Baiboly. (Dan. 12:8, 9) Na tsy haintsika tsara aza anefa hoe ahoana no hahatanterahan’ny faminaniana iray, dia tsy midika izany hoe tsy ho tanteraka mihitsy ilay izy. Afaka matoky isika fa hampahafantarin’i Jehovah antsika ihany izay tokony ho fantatsika amin’ny fotoana mety, hoatran’ny nataony taloha. Hisy hanao fanambarana hoe “fandriampahalemana sy filaminana!” (1 Tes. 5:3) Hanafika ny fivavahan-diso ny fitondram-panjakana eran-tany aorian’izay, ary handringana azy io. (Apok. 17:16, 17) Hanafika ny vahoakan’Andriamanitra ry zareo avy eo. (Ezek. 38:18, 19) Ny ady Aramagedona no hamarana an’izany rehetra izany. (Apok. 16:14, 16) Afaka matoky isika hoe hitranga tsy ho ela ireo. Mandra-pahatongan’izay anefa, dia asehontsika hoe mankasitraka an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra isika, rehefa mianatra an’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, sady manampy ny hafa hanao hoatr’izany koa. w23.08 34:19-20
Alarobia 12 Novambra
Andao isika hifankatia foana, satria avy amin’Andriamanitra ny fitiavana.—1 Jaona 4:7.
Niresaka momba ny finoana sy fanantenana ary fitiavana ny apostoly Paoly indray mandeha, dia avy eo nilaza hoe: ‘Ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo’ toetra ireo. (1 Kor. 13:13) Fa maninona izy no niteny an’izany? Satria tsy hila hino ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny tontolo vaovao intsony isika amin’ny hoavy, na hanantena hoe ho tanteraka izy ireny. Efa ho tanteraka mantsy ireny amin’izay. Mbola hila ho tia an’i Jehovah sy ny olona foana anefa isika. Raha ny marina aza, dia hitombo foana ny fitiavantsika an-dry zareo mandrakizay. Ny fitiavana koa no amantarana ny tena Kristianina. Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Ankoatra izany, dia mampiray saina antsika foana ny fitiavana. Izany no nahatonga an’i Paoly hiantso ny fitiavana hoe “tady tonga lafatra mampifamatotra antsika.” (Kol. 3:14) Hoy ny apostoly Jaona tamin’ny mpiara-manompo taminy: “Tsy maintsy tia ny rahalahiny koa izay tia an’Andriamanitra.” (1 Jaona 4:21) Rehefa mifankatia àry isika, dia mampiseho hoe tia an’Andriamanitra. w23.11 47:1, 3
Alakamisy 13 Novambra
[Alao izay] rehetra manavesatra antsika.—Heb. 12:1.
Ampitovin’ny Baiboly amin’ny hazakazaka ny fiainantsika Kristianina. Fiainana mandrakizay no valisoan’izay mpihazakazaka tody hatramin’ny farany. (2 Tim. 4:7, 8) Mila manezakezaka araka izay fara herintsika isika mba hihazakazahana foana, satria tena akaiky noho ny hatramin’izay ilay tsipika farany. Nahavita an’io hazakazaka ho amin’ny fiainana io ny apostoly Paoly, dia natorony hoe inona no hanampy antsika handresy koa. Nampirisihiny isika mba “hanala an’izay rehetra manavesatra antsika” sy “hanohy an’ilay hazakazaka asaina ataontsika ka haharitra amin’izany.” Inona no tian’i Paoly hotenenina tamin’ilay hoe ‘alao izay rehetra manavesatra’? Te hilaza ve izy hoe tsy misy na inona na inona tokony hoentin’ny Kristianina mihitsy? Tsy izany. Tiany holazaina kosa hoe mila esorintsika daholo izay manavesatra nefa tsy ilaina akory. Hanelingelina sy handreraka antsika mantsy izany. Raha te hiaritra isika, dia tsy maintsy fantarintsika izay manavesatra antsika nefa tsy ilaina akory. Esorintsika ireny satria mahatonga antsika hiadam-pamindra. Misy zavatra tsy maintsy entintsika koa anefa, ka tsy tokony halantsika. Raha ariantsika mantsy izany, dia tsy hahafeno fepetra amin’ilay hazakazaka intsony isika.—2 Tim. 2:5. w23.08 36:1-2