Zoma 14 Novambra
Tsy tokony ho zavatra ivelany fotsiny ny haingonareo.—1 Pet. 3:3.
Rehefa mahay mandanjalanja isika, dia manampy antsika hanaja ny hevitry ny hafa izany. Ny anabavintsika sasany, ohatra, tia manao makiazy, fa ny hafa kosa tsy tia. Misy indray Kristianina tia misotrosotro araka ny antonony, fa ny hafa kosa aleony tsy mikasika zava-pisotro misy alkaola mihitsy. Samy te ho salama tsara daholo isika Kristianina, nefa samy hafa ny fitsaboana mety ho tiantsika harahina. Mety hanafintohina ny olon-kafa sy hampisara-bazana ny fiangonana anefa isika, raha mieritreritra hoe ny antsika foana no marina ka miezaka mandresy lahatra ny rahalahy sy anabavy hanaraka an’izany isika. (1 Kor. 8:9; 10:23, 24) Tsy manome lalàna hentitra be momba ny fitafiana, ohatra, i Jehovah, fa torolalana kosa no omeny. Tiany ho mendrika ny mpanompon’Andriamanitra ny fomba fiakanjontsika, izany hoe tokony ho hita amin’izay anaovantsika fa mahay mandanjalanja sy maotina ary ‘misaina tsara’ isika. (1 Tim. 2:9, 10) Tsy tiantsika àry raha hoe lasa isika no ifantohan’ny olona noho ny fomba fiakanjontsika. Manampy ny anti-panahy koa ny torolalan’ny Baiboly mba tsy hametraka lalàna momba ny akanjo sy ny taovolo. w23.07 32:13-14
Asabotsy 15 Novambra
Henoy tsara aho, dia mihinàna sakafo tena tsara, dia amin’izay ianareo tena hankafy sakafo matsiro be.—Isaia 55:2.
Nasehon’i Jehovah amintsika hoe ahoana no hatao mba hananana hoavy sambatra. Te ‘hankamamy’ an’ilay rano nangalarina, izany hoe te hahazo fahafinaretana avy amin’ny fitondran-tena maloto, izay manaiky ny fanasan’ilay vehivavy petsam-bava sy “tsisy saina.” “Any amin’ny Fasana” no hiafarany. (Ohab. 9:13, 17, 18) Hafa mihitsy anefa ny hoavy miandry an’izay manaiky ny fanasan’ny “tena fahendrena”! (Ohab. 9:1) Mianatra ho tia an’izay tian’i Jehovah sy hankahala an’izay halany isika. (Sal. 97:10) Mahatsiaro ho afa-po koa isika rehefa manasa ny hafa handray soa avy amin’ny “tena fahendrena.” Hoatran’ny hoe ‘miantsoantso’ an-dry zareo “eny amin’ny toerana avoavo ao an-tanàna” isika hoe: “Tongava atỳ izay mbola tsy dia nahita fiainana!” Tsy amin’izao ihany isika sy izay manaiky an’ilay fanasana no mandray soa. Mandray soa maharitra kosa isika ka lasa afaka ny ho “velona” mandrakizay, rehefa ‘avelantsika hitarika antsika ny fahiratan-tsaina.’—Ohab. 9:3, 4, 6. w23.06 28:17-18
Alahady 16 Novambra
Aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka, ary aleo olona mahafehy tena toy izay olona mahazo tanàna ho babo.—Ohab. 16:32.
Inona no tsapanao rehefa misy mpiara-miasa na mpiara-mianatra manontany anao momba an’izay inoanao? Matahotra ve? Hoatr’izany ny ankamaroantsika. Mety ho hita avy amin’ilay fanontaniana anefa izay ao an-tsainy na izay inoany. Hanampy anao hitory ny vaovao tsara izany. Indraindray anefa mety hanakiana be ilay olona rehefa manontany. Tsy tokony hahagaga antsika izany. Mety ho naheno fanazavana diso momba an’izay inoantsika mantsy ny olona sasany. (Asa. 28:22) Miaina “amin’ny andro farany” koa isika, dia betsaka ny olona ‘tsy azo ifanarahana’, ary “masiaka be” mihitsy aza. (2 Tim. 3:1, 3) Mety ho lasa saina ianao hoe: ‘Fa ahoana no hahavitako an’izany hoe mbola tsara fanahy sy mahay mandanjalanja ihany, nefa izy manakiana ny zavatra inoako?’ Hahavita an’izany ianao raha malemy fanahy. Ny olona malemy fanahy mantsy tsy mora tezitra fa mahafehy tena, rehefa misy zavatra mahasosotra na tsy hainy valiana. w23.09 39:1-2