Talata 18 Novambra
Hatsaram-panahy miavaka no namonjena anareo.—Efes. 2:5.
Nankafy ny fanompoany an’i Jehovah ny apostoly Paoly, nefa niatrika olana be dia be koa. Matetika izy no nanao dia lavitra, nefa tsy mora izany tamin’ny androny. Nisy fotoana, ohatra, izy “saika nahita loza tamin’ny renirano” sady “saika nahita loza tamin’ny jiolahy.” Indraindray koa izy nampijalijalin’ny mpanohitra. (2 Kor. 11:23-27) Ankoatra izay, dia tsy nankasitraka ny fanampiany ny Kristianina sasany indraindray, nefa izy efa mba niezaka erỳ. (2 Kor. 10:10; Fil. 4:15) Inona no nanampy an’i Paoly hanompo an’i Jehovah foana? Nianatra betsaka momba ny toetran’i Jehovah izy, na avy tamin’ny Soratra Masina na avy tamin’ny zavatra niainany. Resy lahatra àry i Paoly hoe tia azy i Jehovah Andriamanitra. (Rom. 8:38, 39; Efes. 2:4, 5) Lasa tia be an’i Jehovah izy. Ahoana no nampisehoany an’izany fitiavana izany? ‘Nikarakara ny olona masina’ izy ‘sady mbola nikarakara azy ireo’ foana.—Heb. 6:10. w23.07 30:5-6
Alarobia 19 Novambra
[Ekeo] ny manam-pahefana.—Rom. 13:1.
Betsaka ny olona miaiky hoe ilaina ny fitondram-panjakana, ary fara faharatsiny isika tokony hankatò ny sasany amin’ny lalàna apetraky ny “manam-pahefana.” Ireny olona ireny ihany anefa avy eo no mitady tsy hankatò, rehefa misy lalàna heveriny hoe tsy ara-drariny na hoatran’ny hoe be loatra ny takina aminy. Milaza ny Baiboly hoe mampijaly ny fitondran’olombelona, ary eo ambany fahefan’i Satana, sady horavana tsy ho ela. (Sal. 110:5, 6; Mpito. 8:9; Lioka 4:5, 6) Lazain’izy io koa anefa hoe ‘izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny lamina napetrak’Andriamanitra.’ Avelan’i Jehovah hitondra aloha ny fitondram-panjakana amin’izao mba hisian’ny filaminana, dia manantena izy hoe hankatò an-dry zareo isika. Tsy maintsy ‘aloantsika amin’izy rehetra àry izay tokony haloa aminy’, anisan’izany ny hetra, ny fanajana, ary ny fankatoavana. (Rom. 13:1-7) Ahoana anefa raha tsy mety na tsy rariny ny fahitantsika ny lalàna iray, na hoe mandany vola be ny mankatò an’ilay izy? Mankatò azy ireny isika satria isika mankatò an’i Jehovah. Izy mantsy no mampirisika antsika hankatò ny manam-pahefana, raha tsy asain’izy ireny mandika ny didiny isika.—Asa. 5:29. w23.10 42:9-10
Alakamisy 20 Novambra
Nanome hery an’i Samsona ny fanahin’i Jehovah.—Mpits. 15:14.
Ny Filistinina no nifehy ny firenen’Israely, tamin’i Samsona teraka. Nanao tsindry hazo lena ry zareo, ka nijaly be ny Israelita. (Mpits. 13:1) Nofidin’i Jehovah i Samsona mba “hamonjy ny Israely amin’ny Filistinina.” (Mpits. 13:5) Tsy maintsy niantehitra tamin’i Jehovah àry izy mba hanatanterahana an’io asa sarotra nanendrena azy io. Tonga hisambotra an’i Samsona tao Lehy ny miaramila filistinina, indray mandeha. Tany Joda angamba io toerana io. Natahotra ny lehilahy avy tamin’ny fokon’ny Joda, dia nanapa-kevitra hoe hanolotra azy amin’ny fahavalo. Mpiray tanindrazana taminy ihany no namatotra azy tamin’ny tady roa vaovao, dia nitondra azy tany amin’ny Filistinina. (Mpits. 15:9-13) “Nanome hery an’i Samsona” anefa “ny fanahin’i Jehovah”, dia vitany ny nanapaka an’ireo tady. “Nahita valanoranon’ampondralahy izy” avy eo dia noraisiny ilay izy, ary iny taolana “mbola mando” iny no namonoany lehilahy filistinina 1 000!—Mpits. 15:14-16. w23.09 37:3-4