Alarobia 6 Aogositra
Ny lalan’ny marina ... toy ny hazavan’ny maraina, izay mihamazava tsikelikely mandra-pahatoandron’ny andro.—Ohab. 4:18.
Mampiasa ny fandaminany i Jehovah mandritra ny andro farany, mba hanomezana sakafo ara-panahy tsy tapaka ho an’ny vahoakany. Manampy antsika rehetra izany mba handeha foana amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana.” (Isaia 35:8; 48:17; 60:17) Azo lazaina hoe isaky ny misy olona manaiky hianatra Baiboly, dia manomboka mandeha amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana” izy. Ny sasany vetivety ihany no mandeha amin’io lalambe io, dia avy eo miala. Ny hafa kosa tapa-kevitra hoe tsy hiala mihitsy mandra-pahatongany any amin’ilay toerana tiany haleha. Aiza izany? Mitondra mankany amin’ny “paradisan’Andriamanitra” any an-danitra ilay “Lalan’ny Fahamasinana”, ho an’ireo manantena hiaina any an-danitra. (Apok. 2:7) Mitondra mankany amin’ny faran’ny 1000 taona kosa izy io, ho an’ireo manantena hiaina eto an-tany, rehefa lasa lavorary daholo ny olombelona. Raha efa mandeha amin’io lalambe io àry ianao, dia aza mitodika any aoriana. Aza miala amin’ilay izy mihitsy koa mandra-pahatonganao any amin’ny tontolo vaovao. w23.05 22:15-18
Alakamisy 7 Aogositra
Isika tia satria izy no tia antsika voalohany.—1 Jaona 4:19.
Rehefa mieritreritra an’izay rehetra nataon’i Jehovah ho anao ianao, dia lasa mandeha ho azy ilay fanapahan-kevitra hoe te hanokan-tena. (Sal. 116:12-14) Tena mety raha milaza ny Baiboly fa avy amin’i Jehovah “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” (Jak. 1:17) Ny soron’i Jesosy Zanany no fanomezana lehibe indrindra nomeny. Eritrereto ange e! Noho ny vidim-panavotana, dia afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah ianao. Lasa afaka manantena ny hiaina mandrakizay koa ianao. (1 Jaona 4:9, 10) Rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah ianao dia mampiseho hoe ankasitrahanao io porofom-pitiavana lehibe indrindra io sy ny fitahiana hafa rehetra nomeny anao.—Deot. 16:17; 2 Kor. 5:15. w24.03 9:8
Zoma 8 Aogositra
Matahotra an’i Jehovah ny olona manao izay mahitsy.—Ohab. 14:2.
Hoatran’ny tsapan’ilay olo-marina atao hoe Lota no tsapantsika mahita ny fitondran-tenan’ny olona eo amin’izao tontolo izao. “Nalahelo be [izy] rehefa nahita an’ireo mpandika lalàna nanana fitondran-tena tsy misy henatra.” (2 Pet. 2:7, 8) Fantany mantsy hoe halan’ilay Raintsika any an-danitra ny fitondran-tena ratsy. Tia sy natahotra an’Andriamanitra i Lota. Tsy nanaiky hanana toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany hoatran’ny an’ny olona nanodidina azy àry izy, ka hoe haloto fitondran-tena. Tsy manaja ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena koa ny olona manodidina antsika, na zara raha miraharaha an’izany. Afaka ny hadio fitondran-tena foana anefa isika, raha tsy mihena mihitsy ny fitiavantsika an’Andriamanitra sady mianatra matahotra azy isika. Manampy antsika hahavita an’izany i Jehovah, ka mampahery sy mandrisika antsika amin’ny alalan’ny bokin’ny Ohabolana. Tena afaka mandray soa avy amin’ny torohevitra ao ny Kristianina rehetra, na antitra na tanora, ary na lahy na vavy. Rehefa matahotra an’i Jehovah isika, dia mitandrina mba tsy hanala tsiny ny fitondran-tena ratsy. w23.06 28:1-2, 5