FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Asabotsy 13 Septambra

Tena sarobidy ianao.​—Dan. 9:23.

Mbola tovolahy i Daniela mpaminany, tamin’izy nentin’ny Babylonianina ho babo lavitra ny tanindrazany. Toa nampiaiky an’ireo nitondra azy ho babo anefa izy. Nijery “izay hitan’ny maso” mantsy ry zareo, ka hitany hoe ‘tsy nisy tsiny sady tsara tarehy sy tsara bika’ i Daniela no taranak’olona ambony. (1 Sam. 16:7) Nampiofanin’ny Babylonianina hanompo ao an-dapa àry izy. (Dan. 1:3, 4, 6) Tian’i Jehovah koa i Daniela noho izy nisafidy hoe ho olona hoatran’ny ahoana izy. Mbola vao 20 taona teo ho eo fotsiny aza angamba i Daniela, tamin’i Jehovah nilaza hoe olo-marina hoatran’i Noa sy Joba izy. Ireo lehilahy ireo anefa efa am-polony taona no nanompo an’i Jehovah sy tsy nivadika taminy. (Gen. 5:32; 6:9, 10; Joba 42:16, 17; Ezek. 14:14) Tian’i Jehovah foana i Daniela nandritra ny androm-piainany. Ela velona izy ary tena niavaka ny fiainany.​—Dan. 10:11, 19. w23.08 33:1-2

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 14 Septambra

[Miezaha mba hahazo] tsara ... ny sakany sy halavany sy haavony ary halaliny.​—Efes. 3:18.

Rehefa manapa-kevitra ny hividy trano ianao, dia ho tianao ny handinika mivantana ny tsipiriany rehetra momba an’ilay trano tianao hipetrahana amin’ny hoavy. Afaka manao hoatr’izany koa isika rehefa mamaky sy mianatra Baiboly. ‘Ny zavatra fototra avy amin’ny teny masin’Andriamanitra’ ihany no ho hainao, raha vakinao maimaika fotsiny izy io. (Heb. 5:12) Manaova kosa hoatran’ilay nividy trano teo, ka “midira” lalindalina dia diniho ny tsipiriany amin’ilay izy. Ahoana no fomba tsara indrindra ianarana Baiboly? Azonao jerena, ohatra, hoe ahoana no ifandraisan’ny hevitra iray amin’ny hevitra hafa ao. Iezaho ho azo hoe inona ny fahamarinana inoanao, nefa aza mianina amin’izany. Fantaro koa hoe nahoana ianao no mino azy ireny. Tsy maintsy mianatra ny fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly isika, raha te hahazo tsara azy io. Nampirisika ny rahalahy sy anabaviny kristianina ny apostoly Paoly mba hianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra, amin’izay ‘ho azon’izy ireo tsara ny fahamarinana, izany hoe ny sakany sy halavany sy haavony ary halaliny.’ Hanampy azy ireo “hamaka tsara sy hiorina mafy” kokoa ao amin’ny finoana izany. (Efes. 3:14-19) Mila manao hoatr’izany koa isika. w23.10 44:1-3

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alatsinainy 15 Septambra

Ry rahalahy, ataovy modely ny mpaminany niteny tamin’ny anaran’i Jehovah, satria niaritra fampijaliana sy nanam-paharetana izy ireo.​—Jak. 5:10.

Misy olona be dia be resahin’ny Baiboly hoe nanam-paharetana. Maninona raha mianatra momba an’ireny? Mbola kely, ohatra, i Davida dia efa nohosorana ho mpanjakan’ny Israely. Tsy maintsy niandry taona maro anefa izy vao tena lasa mpanjaka. Tsy nivadika tamin’i Jehovah koa i Simeona sy Ana rehefa niandry an’ilay Mesia nampanantenaina. (Lioka 2:25, 36-38) Rehefa mianatra an’ireny tantara ireny ianao, dia tadiavo ny valin’ireto: ‘Inona no mety ho nanampy an’io olona io hanam-paharetana? Inona ny soa noraisiny noho izy nanam-paharetana? Ahoana no anahafako azy?’ Mety hahasoa anao koa ny mianatra momba an’ireo olona tsy nanam-paharetana. (1 Sam. 13:8-14) Saintsaino izao: ‘Inona no mety ho nahatonga azy tsy hanam-paharetana? Dia inona ny vokatr’izany?’ w23.08 35:15

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara