FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Shan
  • Androany

Alatsinainy 15 Septambra

Ry rahalahy, ataovy modely ny mpaminany niteny tamin’ny anaran’i Jehovah, satria niaritra fampijaliana sy nanam-paharetana izy ireo.​—Jak. 5:10.

Misy olona be dia be resahin’ny Baiboly hoe nanam-paharetana. Maninona raha mianatra momba an’ireny? Mbola kely, ohatra, i Davida dia efa nohosorana ho mpanjakan’ny Israely. Tsy maintsy niandry taona maro anefa izy vao tena lasa mpanjaka. Tsy nivadika tamin’i Jehovah koa i Simeona sy Ana rehefa niandry an’ilay Mesia nampanantenaina. (Lioka 2:25, 36-38) Rehefa mianatra an’ireny tantara ireny ianao, dia tadiavo ny valin’ireto: ‘Inona no mety ho nanampy an’io olona io hanam-paharetana? Inona ny soa noraisiny noho izy nanam-paharetana? Ahoana no anahafako azy?’ Mety hahasoa anao koa ny mianatra momba an’ireo olona tsy nanam-paharetana. (1 Sam. 13:8-14) Saintsaino izao: ‘Inona no mety ho nahatonga azy tsy hanam-paharetana? Dia inona ny vokatr’izany?’ w23.08 35:15

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Talata 16 Septambra

Mino izahay sady mahafantatra fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra.​—Jaona 6:69.

Tsy nivadika ny apostoly Petera. Tsy nisy navelany hahatonga azy hilavo lefona tanteraka. Noporofoiny, indray mandeha, hoe tsy nivadika izy, rehefa nilaza zavatra tsy azon’ny mpianany i Jesosy. (Jaona 6:68) Tsy mba nanontany ny maro tamin’ny mpianany, fa tonga dia tsy nanara-dia an’i Jesosy intsony. Tsy hoatr’izany anefa i Petera. Niaiky izy hoe ny ‘teny lazain’i Jesosy’ ihany “no hahazoana fiainana mandrakizay.” Fantatr’i Jesosy hoe handao azy i Petera sy ny apostoly hafa, ny alina talohan’ny nahafatesany. Na izany aza, dia nilaza taminy i Jesosy fa natoky izy hoe ho tafarina i Petera, ary hahavita tsy hivadika mihitsy. (Lioka 22:31, 32) Azony mantsy hoe “mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.” (Mar. 14:38) Tsy nanary an’i Petera àry i Jesosy, na dia nanda ho tsy nahafantatra azy aza izy. Niseho taminy i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty, ary azo inoana hoe i Petera irery no teo. (Mar. 16:7; Lioka 24:34; 1 Kor. 15:5) Tsy maintsy hoe nampahery an’io apostoly efa torotoro fo io izany! w23.09 40:9-10

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 17 Septambra

Sambatra izay voavela ny helony, ary voasarona ny fahotany.​—Rom. 4:7.

Mamela na manarona ny fahotan’izay maneho finoana azy Andriamanitra. Avelany tanteraka ny helok’izy ireo, ary tsy isainy intsony izany. (Sal. 32:1, 2) Tsy meloka àry ny fahitan’Andriamanitra azy ireo, ary ekeny ho olo-marina izy noho ny finoany. Mbola tsy lavorary sy mpanota ihany i Abrahama sy Davida ary ny olona tsy nivadika hafa, na dia nambara hoe olo-marina aza. Tsy manan-tsiny anefa ny fahitan’Andriamanitra azy ireo noho izy nanam-pinoana, indrindra raha noharina tamin’ny olona tsy nanompo azy. (Efes. 2:12) Nolazain’ny apostoly Paoly mazava tsara ao amin’ny taratasiny hoe tena ilaina ny finoana raha te hifandray akaiky amin’Andriamanitra. Marina izany rehefa jerena ny tantaran’i Abrahama sy Davida, ary mbola hoatr’izany koa amintsika. w23.12 50:6-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara