Asabotsy 20 Septambra
Mifankatiava ianareo.—Jaona 13:34.
Tsy hahavita hankatò an’ilay didin’i Jesosy momba ny fitiavana isika, raha ny sasany ao amin’ny fiangonana ihany no anehoantsika fitiavana. Marina aloha hoe misy olona akaiky kokoa antsika noho ny hafa e! Hoatran’izany mantsy na tamin’i Jesosy aza. (Jaona 13:23; 20:2) Nampahatsiahy antsika anefa ny apostoly Petera fa tokony hiezaka mafy hanana “fitiavan-drahalahy” isika, izany hoe hiraiki-po amin’ny rahalahy sy anabavintsika rehetra ka hoatran’ny hoe fianakaviantsika ry zareo. (1 Pet. 2:17) Nampirisika antsika i Petera mba ‘hifankatia lalina amin’ny fo.’ (1 Pet. 1:22) Inona no tiany hotenenina amin’ilay hoe tia “lalina”? Hoe mila “manitatra” ny fitiavantsika isika, fa tsy hoe izay olona mahafinarinaritra antsika ihany no tiantsika. Ahoana, ohatra, raha misy rahalahy nanao zavatra mampalahelo antsika na nandratra ny fontsika? Mety ho tonga dia te hamaly faty isika, fa tsy hieritreritra hampiseho fitiavana. Nianaran’i Petera avy tamin’i Jesosy anefa fa tsy tian’Andriamanitra ny mamaly faty. (Jaona 18:10, 11) Izao no nosoratany: “Aza mamaly ratsy ny ratsy na manambanimbany rehefa misy manambanimbany. Aleo kosa mirary soa.” (1 Pet. 3:9) Raha manana fitiavana lalina àry ianao, dia ho tsara fanahy sy hiahy an’ireo rahalahy sy anabavy. w23.09 41:9-11
Alahady 21 Septambra
[Ny vehivavy koa tokony] hahay handanjalanja amin’izay zavatra fanaony, ary ho mendri-pitokisana amin’ny zava-drehetra.—1 Tim. 3:11.
Gaga isika fa tsy hitahita akory ny ankizy dia lasa olon-dehibe. Hoatran’ny hoe mandeha ho azy ilay izy. Tsy hoatr’izany anefa ilay hoe lasa Kristianina matotra. (1 Kor. 13:11; Heb. 6:1) Mila mifandray tsara amin’i Jehovah isika vao ho tonga amin’izany. Mila ny fanahiny masina koa isika, mba hananana toetra tsara sy fahaizana ilaina eo amin’ny fiainana, ary hiomanana ho amin’ny andraikitsika amin’ny hoavy. (Ohab. 1:5) Rehefa namorona ny olombelona i Jehovah, dia nataony lahy sy vavy izy ireo. (Gen. 1:27) Miharihary hoe tsy mitovy bika ny lehilahy sy vehivavy. Misy zavatra hafa tsy itovizan-dry zareo koa anefa. Samy nomen’i Jehovah andraikitra manokana, ohatra, ny lehilahy sy ny vehivavy, dia samy mila ny toetra sy ny fahaizana ilainy mba hamitany an’izay nanendrena azy.—Gen. 2:18. w23.12 52:1-2
Alatsinainy 22 Septambra
Ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy, [ary] ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka.—Mat. 28:19.
Tian’i Jesosy hampiasa ny anaran’ny Rainy ve ny olona? Izany mihitsy. Nisy mpitondra fivavahana nafana fo tamin’ny androny angamba tsy nety nanonona ny anaran’Andriamanitra satria hoe masina loatra izy io. Tsy nahasakana an’i Jesosy tsy hanome voninahitra ny anaran’ny Rainy anefa ireny fombafomba tsy avy ao amin’ny Soratra Masina ireny. Eritrereto, ohatra, izay nitranga rehefa nanasitrana lehilahy iray nisy demonia tao amin’ny faritra nisy ny Gerasianina izy. Natahotra be ny olona, ka niangavy an’i Jesosy mba hiala tao amin’ilay faritra, dia lasa izy nandeha. (Mar. 5:16, 17) Tian’i Jesosy ho fantatry ny olona tao amin’ilay faritra anefa ny anaran’i Jehovah. Nirahiny àry ilay lehilahy nositraniny, mba hilaza amin’ny olona an’izay nataon’i Jehovah taminy, fa tsy izay nataon’i Jesosy. (Mar. 5:19) Izany koa no tiany hataontsika. Tiany hampahafantarintsika eran-tany ny anaran’ny Rainy! (Mat. 24:14; 28:20) Rehefa manao ny anjarantsika isika, dia faly i Jesosy Mpanjakantsika. w24.02 6:10