Alakamisy 25 Septambra
Tsara fanahy Andriamanitra ka namela ny heloka rehetra vitantsika.—Kol. 2:13.
Mampanantena ilay Raintsika any an-danitra hoe hamela antsika izy raha mibebaka isika. (Sal. 86:5) Raha tena manenina amin’ny fahotantsika àry isika, dia azontsika tazonina amin’ny teniny i Jehovah. Efa namela antsika izy. Tadidio fa tsy hentitra loatra izy na hoe tsy milefitra mihitsy. Tsy mitaky mihoatra noho izay vitantsika mihitsy izy. Ankasitrahany kosa izay ataontsika ho azy, raha mbola manao an’izay tsara indrindra vitantsika isika. Saintsaino koa ireo olona resahin’ny Baiboly hoe nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo. Anisan’ireny ny apostoly Paoly. Niezaka be teo amin’ny fanompoana izy nandritra ny taona maro, ka nanao dia an’arivony kilaometatra sady nanangana fiangonana be dia be. Nisy fotoana anefa izy tsy afaka nitory firy. Dia tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony ve izy? Tsy izany! Mbola nanao izay vitany izy, dia notahin’i Jehovah. (Asa. 28:30, 31) Mety hiovaova koa ny azonao omena an’i Jehovah indraindray. Ny tena zava-dehibe aminy anefa dia hoe nahoana ianao no manao an’ilay izy. w24.03 13:7, 9
Zoma 26 Septambra
Vao maraina, [dia] nankany amin’ny toerana mitokana [i Jesosy], ary nivavaka tany.—Mar. 1:35.
Nanome modely harahin’ny mpianany i Jesosy, rehefa nivavaka tamin’i Jehovah. Nivavaka matetika, ohatra, izy nandritra ny fanompoany. Nila nanokana fotoana hivavahana izy, satria matetika izy no be atao sady be olona be nanodidina azy. (Mar. 6:31, 45, 46) Nifoha maraina, ohatra, izy amin’izay afaka mivavaka mitokana. Indray mandeha izy, fara fahakeliny, no nivavaka nandritra ny alina manontolo, talohan’ny handraisany fanapahan-kevitra lehibe. (Lioka 6:12, 13) Nivavaka imbetsaka koa izy ny alina talohan’ny nahafatesany. Izay hamitana an’ilay fanendrena sarotra indrindra nomena azy teto an-tany mantsy no nifantohany tamin’io. (Mat. 26:39, 42, 44) Ianarantsika avy amin’ny modelin’i Jesosy hoe na be atao hoatran’ny inona aza isika, dia mila mitady fotoana hivavahana. Mila manokana fotoana hanaovana an’izany hoatr’azy isika, ohatra hoe mifoha maraina na miari-tory kely. Rehefa manao an’izany mantsy isika, dia mampiseho amin’i Jehovah hoe ankasitrahantsika io fanomezana miavaka nomeny io. w23.05 20:4-5
Asabotsy 27 Septambra
Efa natao ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fanahy masina nomena antsika.—Rom. 5:5.
Azo adika hoe “nararaka” ilay hoe “natao ao” eo amin’io andininy io. Resahin’ny boky iray momba ny Baiboly fa toy ny hoe “arakaraka hoatran’ny renirano” no tiana holazaina amin’izany. Tena lehibe àry ny fitiavan’i Jehovah ny voahosotra! Fantatr’izy ireo koa hoe ‘tian’Andriamanitra’ izy. (Joda 1) Nilaza ny fihetseham-pon-dry zareo ny apostoly Jaona rehefa nanoratra hoe: “Eritrereto ange ny fitiavana nasehon’ny Ray antsika e! Nantsoiny hoe zanany mihitsy isika.” (1 Jaona 3:1) Fa ny voahosotra ihany ve no tian’i Jehovah? Tsy izany. Nampiseho fitiavana tamintsika rehetra izy. Inona no porofo lehibe indrindra fa tia antsika i Jehovah? Ny vidim-panavotana. Nasehony tamin’izany fa tsy misy tia antsika mihoatra noho izy!—Jaona 3:16; Rom. 5:8. w24.01 4:9-10