FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Shan
  • Androany

Asabotsy 27 Septambra

Efa natao ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fanahy masina nomena antsika.​—Rom. 5:5.

Azo adika hoe “nararaka” ilay hoe “natao ao” eo amin’io andininy io. Resahin’ny boky iray momba ny Baiboly fa toy ny hoe “arakaraka hoatran’ny renirano” no tiana holazaina amin’izany. Tena lehibe àry ny fitiavan’i Jehovah ny voahosotra! Fantatr’izy ireo koa hoe ‘tian’Andriamanitra’ izy. (Joda 1) Nilaza ny fihetseham-pon-dry zareo ny apostoly Jaona rehefa nanoratra hoe: “Eritrereto ange ny fitiavana nasehon’ny Ray antsika e! Nantsoiny hoe zanany mihitsy isika.” (1 Jaona 3:1) Fa ny voahosotra ihany ve no tian’i Jehovah? Tsy izany. Nampiseho fitiavana tamintsika rehetra izy. Inona no porofo lehibe indrindra fa tia antsika i Jehovah? Ny vidim-panavotana. Nasehony tamin’izany fa tsy misy tia antsika mihoatra noho izy!​—Jaona 3:16; Rom. 5:8. w24.01 4:9-10

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 28 Septambra

Hiverin-dalana ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako vonjy aminao. Izao no atokisako: Manohana ahy Andriamanitra.​—Sal. 56:9.

Resahin’io andininy io ny fomba hafa nanampy an’i Davida tsy ho resin’ny tahotra. Inona izany? Na dia notandindomin-doza aza ny ainy, dia nisaintsaina an’izay hataon’i Jehovah ho azy izy. Fantany hoe hamonjy azy i Jehovah amin’ny fotoana mety. Izy rahateo efa nilaza fa i Davida no ho mpanjakan’ny Israely manaraka. (1 Sam. 16:1, 13) Tamin’i Davida, dia hoatran’ny hoe efa tanteraka foana izay nampanantenain’i Jehovah. Ary ianao? Inona no nampanantenain’i Jehovah fa hataony ho anao? Tsy manantena isika hoe hiaro antsika amin’ny olana rehetra izy. Na inona na inona anefa fitsapana atrehinao eto amin’izao tontolo izao, dia hesorin’i Jehovah izany ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy. (Isaia 25:7-9) Ampy tsara ny herin’ilay Mpamorona antsika mba hananganana ny maty, sy hanasitranana antsika, ary handringanana ny mpanohitra rehetra.​—1 Jaona 4:4. w24.01 1:12-13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alatsinainy 29 Septambra

Sambatra izay voavela ny helony ary voasarona ny fahotany.​—Sal. 32:1.

Saintsaino ny antony nahatonga anao hanokan-tena sy hatao batisa. Nanao an’ireo dingana ireo ianao, satria te hiandany amin’i Jehovah. Eritrereto indray hoe inona no nahatonga anao ho resy lahatra fa nahita ny fahamarinana ianao. Nianatra ny marina momba an’i Jehovah ianao, dia lasa nanaja sy tia an’ilay Rainao any an-danitra. Lasa nanam-pinoana ianao, dia te hibebaka noho ny fahotanao. Nandrisika anao ny fonao mba hiala tamin’ny fanao ratsy ianao, sady hiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Lasa maivamaivana ianao satria tsapanao hoe namela anao Andriamanitra. (Sal. 32:2) Nanatrika fivoriana ianao, dia nanomboka niresaka tamin’ny hafa ny zavatra tsara nianaranao. Efa nanokan-tena sy vita batisa ianao izao, ka mandeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana, ary tapa-kevitra ny tsy hiala amin’izany mihitsy. (Mat. 7:13, 14) Enga anie ianao tsy hanaiky ho voahozongozona, fa hahafoy tena ho an’i Jehovah foana, ary tsy hiovaova mihitsy fa hankatò ny didiny foana! w23.07 31:14, 19

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara