Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
7-13 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 21
Torolalana Manampy Raha Te Hanana Tokantrano Sambatra
w06 15/9 28 § 13
“Mifalia Amin’ny Vadin’ny Fahatanoranao”
13 Ahoana raha ny fomba fifampitondranareo no miteraka olana? Mitaky ezaka ny famahana izany. Aoka hatao hoe nanomboka re tsindraindray tao an-tokantranonareo ny teny maharary, ary manjary fandre matetika izany ankehitriny. (Ohabolana 12:18) Manimba ny fifandraisan’ny mpivady izany, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Aleo mitoetra any an-efitra toy izay amin’ny vehivavy tia ady sady foizina.” (Ohabolana 21:19) Raha vehivavy manambady ianao, ary izany no hita ao an-tokantranonao, dia manontania tena hoe: ‘Sarotra amin’ny vadiko ve ny miaraka amiko noho ny toetrako?’ Hoy ny Baiboly amin’ny lehilahy manambady: Tiavo mandrakariva ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy.” (Kolosianina 3:19) Raha lehilahy manambady àry ianao, dia manontania tena hoe: ‘Tsy miraharaha ny fihetseham-pon’ny vadiko ve aho, ka manjary alaim-panahy hitady fampiononana any amin’olon-kafa izy?’ Mazava ho azy aloha fa tsy afa-tsiny izay manitsakitsa-bady. Tena mety hitranga anefa izany. Tsara àry raha resahina tsy an-kifonofono ireo zava-manahirana.
21-27 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 23
Torolalana Manampy Raha Hisotro Zava-pisotro Misy Alkaola
it “Fahamamoana” § 3-4
Fahamamoana
Raran’ny Baiboly. Melohin’ny Baiboly ny fimamoana. Manazava ny vokatry ny fisotroana be loatra ny mpanoratra ny Ohabolana. Toy ny hitan’ny maso sady azo porofoina ara-tsiansa ny fanazavany. Hoy izy: “Iza no iharan-doza? Iza no mahatsapa ho tsy metimety? Iza no tia mifanditra? Iza no be tebiteby? Iza no maratra tsy amin’antony? Iza no manana maso mivoaramena? Tsy iza izany fa izay tsy mety miala eo am-pototry ny divay, sy izay miditra mba hitady divay misy fangarony. Aza mijery divay amin’izato lokony mena, sy ny famirapiratany ao anaty kaopy [tena mampitelin-drora, manjelanjelatra], ary ny fikorianany midina [misosa mora foana] any an-tenda. Fa amin’ny farany, dia hanaikitra tahaka ny menarana izy, ary hamoaka poizina tahaka ny bibilava [mahatonga aretina (manimba ny selan’ny aty) sy manimba ny saina (mampirediredy sy mampifanintona), ary tena mety hahafaty]. Hahita zavatra hafahafa ny masonao [misy vokany amin’ny atidoha ny alkaola ka lasa tsy afa-miasa ny faritra mifehy ny fihetsika. Lasa tsy mahafehy tena ilay olona; mahita zavatra tsy misy; very tadidy ka mba hanaronana izany dia mamorona tantara mahagaga, ary toa marina erỳ ny filazany azy; manjary manao an’izay zavatra tsy sahiny natao izy], ary hisy eritreri-dratsy hitsiry ao am-ponao [tsy mifehy tena intsony izy fa avoakany izay ao an-tsainy sy izay vetsovetsom-pony].”—Oh 23:29-33; Ho 4:11; Mt 15:18, 19.
Hazavain’ny mpanoratra ny Ohabolana izay tsapan’ny olona mamo: “Ho sahala amin’ny olona matory eo afovoan-dranomasina ianao [toy ny hoe entin’ny rano milentika, ary farany tsy mahatsiaro tena], ary ho tahaka ny olona matory eny an-tendron’ny andrin-tsambo [eny no tena ahatsapana ny fihozongozon’ny sambo. Midika izany fa atahorana ny ain’ilay olona mamo satria mety hiharan-doza izy, ho tapaka lalan-dra, hiady aman’olona, sy ny toy izany]. Dia hilaza ianao hoe: ‘Nokapohiny aho, nefa tsy nahare naharary. Noveleziny aho, nefa tsy tsaroako akory [hoy izy miteny irery; tsy henony akory izay tena nanjo azy sy izay kapoka natao taminy]. Rahoviana àry aho no hifoha mba hitadiavako divay indray [tsy maintsy matory izy mba hisava ny toakany; efa lasa miankin-doha amin’ny toaka anefa izy ka hitady bebe kokoa azy io indray avy eo]?’” Hahantra izy satria ho lany amin’ny toaka ny volany ary tsy ho azo ianteherana izy sady tsy hahavita hiasa.—Oh 23:20, 21, 34, 35.
28 JOLAY–3 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 24
Miezaha ho Vonona Hiatrika Zava-tsarotra
w20.12 15 § 1, 7
Fanontanian’ny Mpamaky
Milaza ny Ohabolana 24:16 hoe: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.” Midika ve izany fa na dia manota imbetsaka aza ny olona iray dia hahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra foana?
Tsy izay no tian’io andinin-teny io horesahina, raha ny marina. Olona miatrika olana no tiana horesahina amin’ilay hoe “lavo” eo. Tafarina foana anefa izy, izany hoe mahavita miatrika an’izay mahazo azy.
Araka izany, dia tsy midika hoe manota ilay hoe “lavo” ao amin’ny Ohabolana 24:16. Midika kosa izy io hoe miatrika olana, ary mety ho matetika mihitsy aza. Mety harary na hanana olana hafa, ohatra, ny olo-marina amin’izao. Mety henjehin’ny fitondram-panjakana koa izy. Afaka matoky anefa izy hoe hanampy azy Andriamanitra, dia hahavita hiaritra sy tsy hivadika izy. Tsy efa imbetsaka ve ianao no nahita an’izany? Tsy hitanao ve hoe tsara fiafara ny mpanompon’Andriamanitra matetika? Nahoana? Satria “manohana an’izay rehetra lavo i Jehovah, ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.”—Sal. 145:14-19; 41:1-3.
4-10 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 25
Torolalana Manampy Antsika Hitandrina An’izay Lazaintsika
w15 15/12 19 § 6-7
Tandremo Tsara Izay Lazainao
6 Tokony hifidy tsara ny fotoana itenenana isika. Hoy mantsy ny Ohabolana 25:11: “Toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy.” Efa tsara tarehy ny paoma volamena. Vao mainka ho tsara tarehy anefa ilay izy raha atao ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra. Toy izany koa fa vao mainka hahafinaritra sy hisy vokany tsara ny tenintsika, raha mahay mifidy ny fotoana ilazana azy isika. Ahoana no hanaovana izany?
7 Mety ho tena ilain’ilay olona iresahantsika ny zavatra lazaintsika. Mety tsy hisy vokany tsara aminy anefa ny tenintsika raha tsy mahay mifidy ny fotoana tena tsara ilazana an’ilay izy isika. (Vakio ny Ohabolana 15:23.) Nisy horohoron-tany sy tsunami, ohatra, tany amin’ny faritra atsinanan’i Japon tamin’ny Martsa 2011, ary tanàna maro no rava. Olona 15 000 mahery no maty. Nijaly koa ny Vavolombelon’i Jehovah tany, nefa niezaka foana izy ireo nampiasa Baiboly mba hampiononana an’izay nidonam-pahoriana. Maro tamin’ireo olona ireo anefa no Bodista ka zara raha mahalala na tsy mahalala mihitsy ny fampianaran’ny Baiboly. Vao haingana loatra ilay loza ka hitan’ny mpitory fa mbola tsy fotoana tsara hiresahana momba ny fitsanganana amin’ny maty tamin’izay. Naleon’izy ireo àry aloha nampionona ny olona sy nanazava avy tao amin’ny Baiboly hoe nahoana ny olona tsara fanahy no iharan-doza hoatr’izany.
w15 15/12 21 § 15-16
Tandremo Tsara Izay Lazainao
15 Tsy ny tenintsika ihany no mila tandremana tsara fa ny fomba ilazana azy koa. Rehefa nandaha-teny tao amin’ny synagogan’i Nazareta i Jesosy, dia “gaga noho ny teny mahafinaritra naloaky ny vavany” ny olona. (Lioka 4:22) Manohina ny fo ny teny mahafinaritra, ary tsy mampihen-danja ny zavatra lazaintsika mihitsy fa vao mainka aza mandresy lahatra ny olona. (Ohab. 25:15) Afaka manahaka an’i Jesosy isika ka miezaka ny ho tsara fanahy sy hanaja ny hafa ary tsy handratra ny fony. Nisy vahoaka niezaka hihaona tamin’i Jesosy mba hihaino azy. Nangoraka i Jesosy rehefa nahita azy ireo ka “nanomboka nampianatra azy zavatra maro.” (Mar. 6:34) Tsy nasiaka mihitsy koa izy na dia nisy nanevateva aza.—1 Pet. 2:23.
16 Tsy tsara fanahy isika indraindray na tsy mifidy teny holazaina, rehefa miresaka amin’ny olona mifankazatra amintsika. Angamba isika mivantambantana loatra, rehefa miresaka amin’ny mpianakavintsika na ny namantsika akaiky eo anivon’ny fiangonana. Tsy nasiaka tamin’ny mpianany mihitsy i Jesosy, na dia nifandray be tamin’izy ireo aza. Niady hevitra matetika, ohatra, ny mpianany akaiky hoe iza no ambony kokoa tamin’izy ireo. Tsara fanahy anefa i Jesosy ary noraisiny ho ohatra ny ankizikely iray mba hanitsiana azy ireo. (Mar. 9:33-37) Afaka manahaka azy ny anti-panahy, ka hiezaka ‘halemy fanahy’ rehefa manome torohevitra.—Gal. 6:1.
w95 1/4 17 § 8
Mandrisiha ho Amin’ny Fitiavana sy ny Asa Tsara—Amin’ny Fomba Ahoana?
8 Amin’ny fanompoana ilay Andriamanitsika, dia mety hifandrisika amin’ny alalan’ny ohatra isika rehetra. Azo antoka fa nandrisika ny mpihaino azy i Jesosy. Tiany ilay asa fanompoana kristianina ary nasandrany ilay fanompoana. Nilaza izy fa izany dia toy ny sakafo ho an’ny tenany. (Jaona 4:34; Romanina 11:13). Mety hamindra ny risi-po toy izany. Moa ve ianao afaka mamela ny fifalianao eo amin’ny fanompoana hiseho toy izany koa? Na dia manalavitra amim-pitandremana ny fandokafan-tena aza ianao, dia zarao amin’ny hafa ao amin’ny fiangonana ireo fanandraman-javatra tsara hitanao. Rehefa manasa ny hafa hiara-miasa aminao ianao, dia jereo raha azonao ampiana izy ireo hahita tena fahafinaretana marina amin’ny firesahana amin’ny hafa ny amin’i Jehovah, ilay Mpamorona antsika Lehibe.—Ohabolana 25:25.
11-17 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 26
Aza Mifanerasera Amin’ny Adala
it “Orana” § 9
Orana
Fizaran-taona. Fahavaratra sy ririnina ihany no tena fahita any amin’ny Tany Nampanantenaina. Marina kokoa anefa ny ilazana ny fahavaratra hoe main-tany ary ny ririnina hoe fotoanan’ny orana. (Ampit. Sl 32:4; To 2:11.) Zara raha misy orana, manomboka eo antenatenan’ny Aprily ka hatrany antenatenan’ny Oktobra. Mandritra izany koa ny fotoam-pijinjana. Milaza tokoa ny Ohabolana 26:1 fa hafahafa raha misy orana amin’ny fotoam-pijinjana. (Ampit. 1Sa 12:17-19.) Rehefa fotoanan’ny orana, dia tsy hoe avy foana ny orana fa mba miposaka ihany ny masoandro indraindray. Mamirifiry koa ny andro amin’io fotoana io, ka mahatsiaro mangatsiaka be ny olona rehefa tratran’ny orana. (Ezr 10:9, 13) Tena mahafaly àry ny mahita toerana mety tsara azo ialofana.—Is 4:6; 25:4; 32:2; Jb 24:8.
w88 1/1 19 § 12
Mitondra Vokatra Hiadanana ny Fifehezana
12 Amin’ny sasany dia tsy maintsy ampiharina ny fandaharana hentitra kokoa, araka ny asehon’ny Ohabolana 26:3 amin’izao teny izao: “Ny karavasy ho amin’ny soavaly, ny lamboridy ho amin’ny boriky, ary ny tsorakazo kosa ho amin’ny lamosin’ny adala.” Indraindray dia navelan’i Jehovah ireo mpanompony, ny Israelita, hiharan’ny loza vokatry ny nataon’izy ireo ihany: “Nikomy tsy nanaraka ny tenin’Andriamanitra mantsy izy ireo; Tsy noraharahiany ny torohevitr’ilay Avo Indrindra. Koa navelany hizaka fahoriana izy ireo mba hahatonga azy hanetry tena tao am-pony; Tafintohina izy ireo, ary tsy nisy nanampy. Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo rehefa tao anatin’ny sarotra, Ka novonjeny tamin’ny fahoriany.” (Salamo 107:11-13). Nisy anefa adala nanamafy hatoka ka nanjary tsy nihontsina tamin’ny karazam-pifehezana rehetra: “Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.”—Ohabolana 29:1.
it “Malemy Tongotra” § 10
Malemy Tongotra
Ohabolana. Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Toy ny olona manapaka ny tongony [ka lasa malemy tongotra], sy mitera-doza ho an’ny tenany, ny olona manankina andraikitra amin’ny adala.” Tena midi-kizo izay olona manankina ny raharahany amin’ny adala. Azo antoka fa tsy handeha tsara ilay raharaha ka hitondra fatiantoka ho azy.—Oh 26:6.
18-24 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 27
Ny Soa ho Azonao Raha Tena Namana ny Namanao
w19.09 5 § 12
Sarobidy Amin’i Jehovah ny Mpanompony Manetry Tena
12 Mankasitraka ny torohevitra omena azy ny olona manetry tena. Intỳ misy ohatra: Andao hatao hoe any am-pivoriana ianao, dia miresaka amin’ny mpiara-manompo maromaro. Nisy iray tamin’izy ireo avy eo niantso anao mitokana, dia nilaza taminao fa misy ravintoto kely ny nifinao. Tsy maintsy ho menatra aloha ianao e! Soa ihany anefa fa nampahafantariny anao ilay izy. Tsy hankasitraka azy àry ve ianao? Tianao aza raha mba nisy nilaza taminao aloha kokoa. Hoatr’izany koa no tokony ho tsapantsika rehefa misy mpiara-manompo be herim-po ka manome torohevitra antsika. Tokony hanetry tena isika ka hankasitraka ny nataony, ary hihevitra azy ho namana fa tsy fahavalo.—Vakio ny Ohabolana 27:5, 6; Gal. 4:16.
it “Mpiara-monina” § 11
Mpiara-monina
Ampirisihin’ny Ohabolana anefa isika mba hino sy hatoky namana ary hiantso azy amin’ny fotoan-tsarotra: “Aza ilaozana ny namanao na ny naman’ny rainao, ary aza miditra ao an-tranon’ny rahalahinao amin’ny andro fahorianao. Aleo namana [shaken] eo akaiky eo, toy izay rahalahy any lavitra any.” (Oh 27:10) Toa milaza ny mpanoratra eo hoe sarobidy kokoa ny namana monina eny akaiky eny, ka any aminy no tokony hitadiavana fanampiana fa tsy any amin’ny havana, na dia havana akaiky toy ny rahalahy aza, raha monina lavitra izy io. Tsy ho afaka hanampy mantsy izy.
25-31 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 28
Inona no Tsy Itovizan’ny Ratsy Fanahy sy ny Olo-marina?
w93 15/5 26 § 1
Manaraka An’i Jehovah Amin’ny Fomba Feno ve Ianao?
“NY MARINA (...) dia matoky toy ny liona tanora.” (Ohabolana 28:1). Maneho finoana izy ireo, miantehitra amim-patokiana amin’ny Tenin’Andriamanitra ary mandroso amim-pahasahiana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah na inona na inona loza atrehiny.
it “Fahiratan-tsaina” § 9
Fahiratan-tsaina
Miala amin’ilay Loharanon’izy io. Matoa mandika ny lalàn’Andriamanitra ny olona iray, dia efa nanomboka tsy niraharaha an’Andriamanitra izy rehefa nanapa-kevitra na rehefa nisy zavatra nokasainy hatao. (Jb 34:27) Manaraka an-jambany ny fony izy, ka tsy hitany hoe ratsy ny ataony, ary tsy manam-pahendrena intsony izy. (Sl 36:1-4) Mety hilaza izy fa manompo an’Andriamanitra, nefa didin’olombelona no tiany kokoa sy ataony ambony noho ny an’Andriamanitra. (Is 29:13, 14) Baranahiny ny fitondran-tenany nefa lazainy hoe “kilalao” fotsiny izany. (Oh 10:23) Lasa vetaveta sy maty eritreritra ary tsy misaina izy, ka mety hihevitra mihitsy hoe tsy mahita na tsy mahalala ny ratsy ataony ilay Andriamanitra tsy hita maso, toy ny hoe tsy mahira-tsaina Andriamanitra. (Sl 94:4-10; Is 29:15, 16; Je 10:21) Asehony amin’ny ataony fa toy ny milaza izy hoe: “Tsy misy izany Jehovah izany.” (Sl 14:1-3) Tsy miraharaha an’i Jehovah mihitsy izy. Tsy tarihin’ny fitsipik’Andriamanitra izy, ka diso ny fahitany ny toe-javatra, tsy azony tsara ny tena zava-misy, tsy fantany tsara ny zava-drehetra voakasika amin’izany, ary tsy mahay mandray fanapahan-kevitra izy.—Oh 28:5.