FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 40:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Dia ataovy manodidina ny tranolay ny tokotaniny,+ ka apetaho ny lamba fanakonana+ ny vavahadin’ny tokotany.

  • 1 Mpanjaka 6:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Ary nanao ny tambohon’ny tokotany anatiny+ izy, ka vato voapaika telo andalana+ sy vatan-kazo sedera iray andalana no nanaovany azy.

  • 1 Mpanjaka 8:64
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 64 Tamin’izay andro izay dia voatery nohamasinin’ny mpanjaka ny afovoan’ny tokotany teo anoloan’ny tranon’i Jehovah,+ satria teo no voatery nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra varimbazaha ary ny tavin’ny sorona iombonana. Kely loatra mantsy ilay alitara varahina,+ izay teo anatrehan’i Jehovah, ka tsy antonona teo ny sorona dorana sy ny fanatitra varimbazaha ary ny tavin’ireo+ sorona iombonana.

  • Salamo 84:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Fa ny indray andro eo an-tokotaninao dia tsara noho ny arivo any an-toeran-kafa.+

      Aleoko mijoro eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitro,+

      Toy izay hiriaria ao amin’ny tranolain’ny ratsy fanahy.+

  • Salamo 92:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Hiroborobo ireo nambolena tao an-tranon’i Jehovah,+

      Sy tao an-tokotanin’ny tranon’Andriamanitsika.+

  • Salamo 100:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Midira eo am-bavahadiny mba hisaotra azy,+

      Ary eo an-tokotaniny mba hidera azy.+

      Misaora azy, ka derao ny anarany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara