FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 7:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary izaho hamela an’i Farao hikiribiby amin’ny heviny,*+ ka hampitomboiko tokoa ny isan’ny famantarana sy fahagagana hataoko eo amin’ny tany Ejipta.+

  • Eksodosy 10:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mankanesa ao amin’i Farao, fa izaho mihitsy no efa namela azy ho be di-doha,+ ary tsy izy ihany fa ny mpanompony koa. Amin’izay mantsy dia hataoko eo anatrehany ireo famantarana avy amiko,+

  • Eksodosy 11:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary nanao izany fahagagana rehetra izany teo anatrehan’i Farao i Mosesy sy Arona,+ fa i Jehovah kosa namela an’i Farao hikiribiby tamin’ny heviny. Koa tsy nalefan’i Farao hiala tany Ejipta ny zanak’Israely.+

  • Deoteronomia 2:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Fa tsy namela antsika handalo tao amin’ny taniny i Sihona mpanjakan’i Hesbona, satria navelan’i Jehovah Andriamanitrao hikiribiby+ amin’ny heviny sy hanamafy ny fony izy, mba hanolorana azy eo an-tananao toy ny amin’izao andro izao.+

  • 1 Samoela 6:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Nahoana ianareo no manamafy ny fonareo toy ny nanamafisan’i Ejipta sy Farao ny fony?+ Rehefa nofaizin’Andriamanitra anefa izy ireo,+ moa ve tsy nalefany avy hatrany ny Israelita ka lasa nandeha?+

  • Daniela 5:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Nirehareha anefa ny fony ary be di-doha izy, ka sahisahy ratsy nanao izay tsy tokony hatao.+ Koa naongana tsy ho eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany izy, ary nesorina taminy ny voninahiny.+

  • Romanina 9:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Koa izay tiany hamindrana fo àry no amindrany fo,+ ary izay tiany havela ho mafy hatoka no avelany ho mafy hatoka.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara