FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 25:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Dia manaova Vata amin’ny hazo akasia,+ ka roa hakiho* sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.

  • Eksodosy 25:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 “Ary manaova latabatra+ amin’ny hazo akasia, ka roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.

  • Eksodosy 26:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “Ary hazo akasia no hanaovanao ireo rafitry+ ny tranolay masina, ka ataovy mitsangana ireo rafitra.

  • Eksodosy 27:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 “Ary hazo akasia no hanaovanao ny alitara,+ ka dimy hakiho ny lavany ary dimy hakiho ny sakany. Tokony ho efamira ilay izy, ary telo hakiho ny haavony.

  • Eksodosy 30:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Hazo akasia no hanaovanao ireo bao, ka hopetahanao takela-bolamena.+

  • Eksodosy 36:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Dia nanao andry efatra tamin’ny hazo akasia izy hihantonan’ilay ridao, ka nopetahany takela-bolamena ireo andry. Ary volamena ireo fantsika fanantonana teo aminy. Dia nandrendrika volafotsy izy ka nataony faladiany efatra hitsatohan’ireo andry.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara