FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 8:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ary amin’io andro io, dia tena hataoko miavaka ny tany Gosena misy ny oloko ka tsy hisy fihitra any,+ mba hahafantaranao fa izaho Jehovah dia eto amin’ity tany ity.+

  • Eksodosy 10:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Koa tsy nifankahita izy ireo, ary tsy nisy nitsangana avy teo amin’izay nisy azy nandritra ny telo andro. Fa nisy hazavana kosa tany amin’izay nonenan’ny zanak’Israely rehetra.+

  • Eksodosy 11:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary tsy hisy alika, na iray aza, hivovò amin’ny zanak’Israely, na amin’ny olona na amin’ny biby.+ Amin’izay dia ho fantatrareo fa vitan’i Jehovah ny mampiavaka ny zanak’Israely amin’ny Ejipsianina.’+

  • Eksodosy 12:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary ny ra no ho famantarana anareo, eo amin’izay trano misy anareo. Ho hitako ny ra ka holalovako fotsiny ianareo,+ dia tsy handringana anareo ny loza rehefa mamely ny tany Ejipta aho.

  • Isaia 65:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Ny mpanompoko hihinana,+ fa ianareo kosa ho noana.+ Ny mpanompoko hisotro,+ fa ianareo kosa hangetaheta.+ Ny mpanompoko hifaly,+ fa ianareo kosa ho menatra.+

  • Malakia 3:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Dia ho hitanareo indray ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy,+ ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara