3 Dia tonga i Mosesy, ka nolazainy tamin’ny vahoaka ny tenin’i Jehovah rehetra sy ny didy rehetra havoaka amin’ny fitsarana.+ Koa niara-niredona ny olona hoe: “Vonona hanao izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.”+
14 Izaho no nodidian’i Jehovah tamin’izay fotoana izay hampianatra anareo fitsipika sy didim-pitsarana mba hankatoavinareo any amin’ilay tany halehanareo sy halainareo ho fanananareo.+
4 Iza no tsy hatahotra anao,+ Jehovah ô,+ ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao,+ satria ianao irery ihany no tsy mivadika?+ Fa ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra,+ satria efa naseho ny didim-pitsaranao ara-drariny.”+