26 Koa nandeha izy ireo ka tonga tany an-tany efitr’i Parana any Kadesy,+ teo amin’i Mosesy sy Arona ary ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely. Ary tonga nanao tatitra tamin’izy mirahalahy sy ny vahoaka manontolo ireo mpitsikilo, sady nampiseho azy ny vokatry ny tany.