FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 14:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Dia ren’i Abrama fa lasa babo ny rahalahiny.+ Koa nangoniny ireo olony voaofana,+ dia mpanompo valo ambin’ny folo sy telonjato izay teraka tao amin’ny ankohonany.+ Ary lasa nanenjika hatrany Dana+ izy.

  • Deoteronomia 34:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Dia niakatra avy eny amin’ny lemaka karakaina any Moaba i Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo,+ ho eo an-tampon’i Pisga,+ izay manandrify an’i Jeriko.+ Ary nasehon’i Jehovah azy ilay tany manontolo, hatrany Gileada ka hatrany Dana,+

  • Josoa 19:47
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 47 Kely loatra+ ho an’ny taranak’i Dana anefa ny taniny, ka niakatra hiady tamin’i Lesema+ izy ireo, dia naka azy io ho babo sy namely azy tamin’ny lelan-tsabatra. Ary naka an’ilay tanàna ho fananany izy ireo ka nonina tao. Dia nantsoin’izy ireo hoe Dana i Lesema, araka ny anaran’i Dana razambeny.+

  • Mpitsara 20:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Dia nivoaka daholo ny zanak’Israely rehetra.+ Ary nivory toy ny olona iray+ teo anatrehan’i Jehovah tany Mizpa+ ny vahoaka, hatrany Dana+ ka hatrany Beri-sheba,+ mbamin’ny tany amin’ny faritr’i Gileada.+

  • 2 Samoela 17:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Koa izao no torohevitra omeko: Aleo hangonina atỳ aminao ny Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba,+ izay maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina,+ ary ianao mihitsy koa no ho any an’ady.+

  • 1 Mpanjaka 12:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Dia napetrany tao Betela+ ny iray, fa ny iray kosa tany Dana.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara