FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly.+

      Hivembena+ izy ireo amin’ny fotoana voatondro,

      Satria akaiky ny andro hahitany loza,+

      Ary avy haingana ny zavatra voaomana hihatra aminy.’+

  • 1 Samoela 24:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Aoka i Jehovah no ho mpitsara ka hitsara ahy sy ianao. Dia hijery izy ary hiady ho ahy eo amin’ny fitsarana+ ka hitsara ahy mba hanafaka ahy eo an-tananao.”

  • Salamo 35:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Raiso an-tanana ny adiko eo amin’ny fitsarana Jehovah ô, ka tohero ny fahavaloko.+

      Miadia amin’ireo miady amiko.+

  • Salamo 43:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 43 Tsarao aho,+ Andriamanitra ô!

      Raiso an-tanana ny adiko eo amin’ny fitsarana,+ izay ifanaovako amin’ny firenena mpivadika.

      Hanafaka ahy amin’ny olona mpamitaka sy tsy marina anie ianao.+

  • Ohabolana 22:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Fa i Jehovah no hiady ho an’ireny eo amin’ny fitsarana,+ sy hanaisotra ny ain’izay* mandroba an’ireny.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara