FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 25:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Manaova koa kerobima volamena roa. Tefeo amin’ny marotoa ireo ary ataovy eo amin’ny sisiny roa manaraka ny sakan’ilay sarony,+

  • Nomery 7:89
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 89 Isaky ny niditra tao amin’ny tranolay fihaonana mba hiresaka tamin’Andriamanitra i Mosesy,+ dia nandre an’ilay feo niresaka taminy avy teo ambonin’ny saron’ilay+ Vata misy ny tenin’ny vavolombelona, avy teo anelanelan’ny kerobima+ roa. Ary niresaka taminy Andriamanitra.

  • 2 Samoela 6:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Dia nankany Bala-joda+ i Davida sy ny olona rehetra niaraka taminy, mba hampiakatra avy tany ny Vata masin’Andriamanitra.+ Eo amin’io Vata io no iantsoana ny anaran’i+ Jehovah Tompon’ny tafika,+ ilay mipetraka eo amin’ny kerobima.+

  • 2 Mpanjaka 19:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Ary nivavaka+ teo anatrehan’i Jehovah i Hezekia hoe: “Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ izay mipetraka eo amin’ny kerobima!+ Ianao irery no tena Andriamanitry ny fanjakana+ rehetra eto an-tany.+ Ianao no nanao ny lanitra+ sy ny tany.+

  • Salamo 80:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 80 Mihainoa, ry Mpiandry ny Israely ô,+

      Dia ianao izay mitarika an’i Josefa toy ny fitarika andian’ondry.+

      Mamirapirata,+ ry ilay mipetraka eo amin’ny kerobima+ ô!

  • Salamo 99:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 99 Lasa mpanjaka i Jehovah.+ Aoka ho raiki-tahotra ny olona.+

      Mipetraka eo amin’ny kerobima izy.+ Aoka hangovitra ny tany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara